Miandrivazo : Hiakatra fitsarana anio ny « Chef Cisco » teo aloha

Rehefa nandalo Fampanaovana, ny 15 novambra teo, dia naiditra am-ponja vonjy maika ny « Chef Cisco »-n’i Miandrivazo teo aloha sy ilay ramatoa « comptable » mpisolo toerana ary « fournisseur » iray (Zaobaviny). Raha tsy misy moa ny fiovana amin’ny ora farany, dia anio ireto olona telo (M.D) voarohirohy ireto no hiakatra fitsarana, ka vesatra maromaro no iampangan’ny Bianco an’ity ramatoa Lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianara teo aloha ity, ka anisan’izany ny fanondikodinana volam-panjakana, fanaovana kolikoly sy fakana vola an-keriny tsy ara-drariny tamin’ireo mpampianatra FRAM haiditra ho mpiasam-panjakana. Misy amin’ireo vola naodin’ity « Chef Cisco » teo aloha ity no voalaza tokony hanorenana foto-drafitrasa, nefa tsy misy akory ny asa vita. Raha ny loharanom-baovao voaray, tao anatin’ny fotoana nitantanany ny Fari-piadidiam-pampianarana tany Miandrivazo, dia lasa nanan-karena tampoka ity ramatoa ity, nefa olona sahirana izy fony mbola mpampianatra tsotra. « Vetivety nahavita trano lehibe tsara tarehy eto Miandrivazo izy, nividy fiara 4×4 Rexton 01 sy voiture plaisir Ford 01. Nividy trano lehibe iray ihany koa any Fort-Dauphin toerana niaviany », raha ny nambaran’ireo mpampianatra mpanabe maro sahy nijoro vavolombelona teo anatrehan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly, mahakasika ny fanondikodinam-bolam-panjakana sy fanamparam-pahefana nataon’ity « Chef Cisco » teo aloha voampanga ity. Raha ny fantatra, dia hotsaraina ny andron’ny zoma io ihany koa ny raharaha famonoana tamin’ny fomba feno habibiana miaramila manam-boninahitra iray, Lietnà 50 taona (Officier de Renseignement, Etat-Major), izay namita iraka tany Miandrivazo, ny 4 novambra 2017. Patiraon’omby iray moa no efa naiditra am-ponja vonjy maika izay voarohirohy tamin’ity vono olona nahatsiravina ity.

Eric Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.