Sainte-Marie : Nodoran’ny andian’olona ny kaomisarian’ny pôlisy

Lasa fomba amam-panahon’ny olona ao anatin’ny fahatezerana ny fandorona ny fananam-bahoaka. Taorian’ny nandoroan’ andian’olona ny biraon’ny Jirama tao Maroantsetra, noho ny fahatapahan- jiro izay ny Mada-Green no mpamokatra azy, dia fantatra ihany koa izao fa nodoran’olona te-hanao fitsaram-bahoaka mpamono olona tratra izany ny biraon’ny kaomisarian’i Sainte-Marie, omaly. Raha ny fanazavana azo, dia nisy vono olona nitranga tao amin’ity nosy Sainte-Marie ity, ka raha nanao ny fikarohany ny mpitandro ny filaminana, izay tsy ny polisy aloha no nanao izany, dia tratra ilay voalaza fa namono olona. Ny resaka nandeha tao Sainte-Marie fa voatazona teo anivon’ny kaomisarian’ny polisy tany an-toerana ilay voalaza fa mpamono olona no nampitahotra ireo andian’olona nankeny amin’ny kaomisaria, hitaky ny famoahana azy hanaovana fitsaram-bahoaka. Raha nilaza ny polisy, fa tsy ao amin’izy ireo izany, dia tsy nino ireto andian’olona ireto ka niafara tamin’ny fandravana ny kaomisarian’ny polisy izany. 12 mianadahy monja ny polisy miasa any Sainte-Marie araka ny vaovao, ka noho izy ireo vitsy noho be, dia voatery niala ny kaomisaria ary namela ireto andian’olona nanao izay nataony tao amin’ny kaomisarian’i Sainte-Marie. Izay no nahamay ny biraon’ny polisy; izay tranon’ny kaominina an-toerana no ampiasain’ny polisy amin’ny asany. Efa nandefa polisy fanampiny any an-toerana ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka ao Analanjirofo noho izy misahana ny nosy Sainte-Marie ankehitriny.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Izao no vokatry ny fampianarana mba azo tamin’ny 2009 e ! Ny mandoro no hany hay fa ny ankoatra izay dia tsy alehany.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.