Ambatofinandrahana : Dahalo roa mitam-basy, azo sambo-belona

Rehefa nahazo fanairana ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria ao Ambatofinandrahana, fa misy andian-dahalo mitam-piadiana mikasa hanafika tokantrano iray ao amin’ny Fokontany Atsimontsena, an-tampon-tanànan’ Ambatofinandrahana, dia nidina ifotony avy hatrany hanao vonjy taitra niaraka tamin’ireo olom-peheziny ity Lehiben’ny zandary. Vao nahita ny mpitandro filaminana ireo jiolahy, dia nanao tifitra variraraka sady nanaotari-dositra nitsoaka, ka tsy tanteraka ny asa ratsin’izy ireo. Raikitra ny fanenjehana sy hazalambo taorian’izay, ka rehefa nampiasa tetika mahomby ny zandary, omaly maraina tokony ho tamin’ny iray ora, dia voasambotra tao an-tranony tao Ampisorohana Fokontany Andrahalana i Takotomanolo (papan’i Lijery) sy i Likoto, ary tra-tehaka niaraka tamin’ireto dahalo roa raindahiny azo sambo-belona ireto ihany koa ny basim-borona iray sy basy vita gasy iray nampiasain’ireo olon-dratsy niaraka tamin’ny bala « calibre 12 » sy « calibre 16 » ary lefona maro. Raha ny vaovao voaray hatrany, dia mbola mitohy hatramin’izao ny fikarohana an’ireo dahalo tsy mbola voasambotra miaraka amin’ny basy mahery vaika.

Eric Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Manaja tompoko, tena mahavariana tanteraka ny mijery ireto hoe dahalo voasambotra , ny iray dia lehilahy lehibe efa fotsy volo tanteraka , fa dia nahoana re ??? Entin-javatra inona ??? Sa kosa lahy efa tanana zatra nitsoatra ??? Sa kosa efa tena entin’ny tsy fisiana , olana ara-tsosialy ??? Mino aho fa manana fianakaviana izy io , manana vady aman-janaka ihany koa , fa tena mistery amiko no manosika azy hanao toy izao !! Ao raha ??

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.