Fenoarivo Atsinanana : Novonoiny ny vadiny fa tsy nety nampodiana

Hafa ity raharaha niseho tao amin’ny fokontany Ankoba avaratra, kaominina Ampasina Maningory, distrikan’i Fenerivo atsinanana, ny alin’ny talata 26 novambra tokony tamin’ny 08 ora. Olana ara-tokantrano no nivadika ho vono olona tany an-toerana, ka nandriaka ny rà tao amin’ity fokontany ity tamin’io fotoana io, teo amin’ilay ramatoa antsoina hoe Lidy sy ny vadiny antsoina hoe Baban’i Franck. Noho ny zava-nitranga tamin’ny fiarahan’izy mivady ireto dia nisintaka ny tokantranony ilay ramatoa araka ny zony. Tao anatin’ny herintaona anefa dia niezaka ilay rangahy namerina azy tao an-tokantranon’izy ireo, fa tsy nety nody mihitsy ity ramatoa ity raha ny fanazavana avy any an-toerana, satria efa nanambady olon-kafa antsoina hoe Tony, izay mponina  tao amin’ity fokontany ity ihany. Vokatr’izany dia efa nanomana tetika Ingahy Baban’i Franck vadiny teo aloha, ka ny alin’ny talata 26 novambra teo dia tonga tampoka tao an-tranon’ity vadiny teo aloha ilay rangahy efa niaraka tamin’ny antsy be. Voalazan’ny vaovao azo avy any an-toerana fa nidiran’ilay ragahy avy hatrany ny trano ka novonoiny tao an-tranony tao ilay ramatoa vadiny teo aloha sy ny vadiny ankehitriny antsoina hoe Tony. Nisy tovolahy, zana-drahavavin’ilay ramatoa, tao an-trano nandritra izany, saingy tsy nahasaka izao vono olona feno habibiana efa nomanina izao. Naratra mafy tapa-tanana ity tovolahy ity nandritra izany. Noho ny vitan’Ingahy Baban’i Franck namono ny vadiny teo aloha sy ny vadin’ilay ramatoa ankehitriny, dia namono tena ihany koa ny tenany ka nahatonga ny faty tao an-tranon’ilay ramatoa Lidy ho telo be izao ny alin’ny talata 26 novambra ity. Ilay tovolahy naratra dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy tao amin’ny hopitaly ben’i Fenerivo atsinanana.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire