Halatra lavanilina 400kgs teto Toamasina : Mifonja 10 taona am-ponja ireo mpiambina sivily, nohafahana ilay zandary

Jacaranda

Ny alakamisy teo nandritra ny andiany faharoa ny fitsarana ady heloka bevava tsotra tao amin’ny fitsarana ambony Toamasina, no niditra fitsarana ilay raharaha halatra lavanilina 400kgs tao amin’ny orinasa “Takasago”, manana ny orinasa eny Betainaomby sy Magazay, eny Amoasimazava. Ity raharaha nikatra fitsarana ity no halatra lavanilina faha-04 teo anivon’ny orinasa tao anatin’ny telo taona nijoroany, nanomboka ny taona 2017. Nefa tamin’ireo halatra telo voalohany dia noafahan’ny fitsarana hatrany ireo voarohirohy notorian’ilay orinasa na efa misy izao aza ny porofo entin’izy ireo noho ny fisian’ireo “camera de surveillance”. Tamin’ity halatra fahefatra nihatra tamin’ity orinasa “Takasago” nitranga ny 12 mai 2019 ity dia olona 05 ireo voarohirohy niakatra fitsarana. Tsy tao anatin’izany ireo olona 03 voarain’ny “camera de surveillance” niditra tao anatin’ny orinasa hibata ireo lavanilina halatra, fa mpiambina ny roa : Ingahy isany Victor sy Bernard – lehiben’ireo mpiambina, i Sylvain, sy mpiasa Ingahy Clément– ary zandary mpiambina ny orinasa, Remison, ny iray. Tsy tao anatin’ny antontan-taratasin’ady ireo zandary roa ambiny noho ny iray mamo nandritra ny halatra, ny iray hafa nody fa tafiditra hopitaly ny zanany. Nandritra ny fitsarana dia mifanilika andraikitra ireo mpiambina sivilin’ny orinasa sy ilay zandary karamain’ny orinasa tamin’ny fisian’ny halatra tao amin’ity orinasa ity. Mifamahofaho be sy mifampitory ihany koa ny fanazavan’ireo mpiambina ireto na efa milaza ny marina aza ny “camera de surveillance” an’ilay orinasa, izay no nahatonga ny orinasa nangataka onitra 200 tapitrisa ariary tamin’ireto voarohirohy dimy lahy ireto nandritra ny fitsarana. Ny tena nanaitra ny mpijery ny fitsarana ny raharaha dia ny fananan’ireto voarohirohy mpisolovava avy niaro azy ireo, izay midika avy hatrany fa isan’ny raharaha henjana ity notsaraina ny alakamisy teo ity. Taorian’ny adiny telo sy sasany nitsarana sy adiny iray sy sasany nandinihana ny didy havoaka (délibéré) nataon’ny filohan’ny fitsarana sy ireo mpitsara mpanampy miaraka aminy, dia nahazo 10 taona asa an-terivozona am-ponja ny telo, dia i Jaonina sy i Clément ary Ratsimbason, mbola miaampy ny fandoavana onitra 90 tapitrisa ariary koa ny sazin’izy telo lahy ireto. Afaka noho ny fisalasalana kosa ilay zandary sy ilay lehiben’ny mpiambina. Manana fe-potoana mampiakatra ny raharaha amin’ny fitsarana fandravana na ny orinasa “Takasago”, na ireo nahazo sazy mifonja taorian’ny fivoahan’ny didy ny alakamisy teo.

Malala Didier

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.