Alasora : Trano fiantohana saika nisy nanafika, nitifitra ny tompon-trano

Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo, dia nisy nikasa hanafika ny trano fiantohana iray teny amin’iny faritra Alasora iny. Mailo anefa ny tompon-trano ka avy hatrany dia nitifitra ka tsy nahavita ny asa ratsiny ireo olon-dratsy.

Nandrovitra ny fahanginan’ny alina ny poa-basy teny amin’iny faritra Alasora iny, nanaitra ireo mponina teny an-toerana. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena tokoa, tokony ho tamin’ny misasakalina mahery kely dia nisy olon-dratsy tafiditra tao amin’ny birao fiasan’ny trano fiantohana iray, tao Ambohimandraisoa, ao amin’ny fokontany Amboaroy, kaominina Alasora. Roa lahy tsy nisaron-tava izy ireo no tafiditra tao amin’io toerana, izay mbola tsy fantatra mazava ny nahafahan’izy ireo tonga tao. Nihevitra ireto roa lahy, fa tsy nisy niambina ny trano ka saika hanao izay danin’ny kibony. Ny tsy fantatr’izy ireo anefa, dia mipetraka ao ihany ny tompon-trano. Ity farany raha vao nahare fotsiny  ny fidiran’ireo olon-dratsy,  avy hatrany dia nanao izay fara-heriny niaro tena, nitifitra ireo olon-dratsy tamin’ny alàlan’ny fitaovam-piadiana teny am-pelan-tanany. Saingy tsy nisy voa moa ireo mpanafika. Angamba tsy nampoizin’izy ireo velively ny fisian’ny olona tao sy ny fiarovan-tena nananany ka dia nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo. Fahefak’adiny taorian’io moa no tonga avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Nanao savahao ny manodidina sy ny fikarohana ireo olon-dratsy, saingy efa dify sy nafenin’ny alina ireto farany. Efa mandeha ny fanadihadiana hatreto.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.