Tsy nanampo ireo vahoaka tao amin’ny “Cité Haras” Ankirihiry, ny alin’ny alakamisy 12 desembra nifoha zoma 13 desambra teo, fa tokantrano dimy be izao no indray sasesin’ny jiolahy indray alina. Niisa am-polony izay nitondra basy PA sy sabatra ary antsy fohy ireto jiolahy nanao fanafihana tao amin’ny “Cité Haras” Ankirihiry, ka ireo izay miseho ho miantso vonjy dia voarahona hovonoina. Maro noho izany no niezaka tsy namaly azy ireo intsony ireo vahoaka lasibatra. Nisy ihany ireo sahy niantso mpitandro ny filaminana, saingy efa tara ihany izany antso izany; izay nitarika ny fahataran’izy ireo ihany koa, tsy nisy afa-tsy 30min teo ihany koa ny nanafihan’ireto jiolahy ireto ilay tokantrano 05 notafihany indray alina. Nandritra izany dia vola iray tapitrisa ariary sy finday 130 ary firavaka samihafa no very. Nisy raim-pianakaviana iray niezaka namaly noho ny fiarovany ny fananany sy ny ankohonany nefa voadarok’ ireo jiolahy tamin’ny lohany ary naratra mafy ny tandrifin’ny masony. Ankoatra izany na eo aza ny toky ataon’ny polisy amin’ny fiarovana ny vahoaka sy fananany, dia tsy izay no zava-misy eny amin’ny fiarahamonina, fa misy hatrany ny kihana amin’ny fahataran’izy ireo amin’ilay vonjitaitran’ny fiarahamonina. Isan’ny goavana itarainan’ny olona amin’izany ny tsy fandraisana antso an-telefaonina nefa miantso vonjy ny olona, sy tsy vao androany no nahenoana izany fitarainana izany fa matetika mihitsy, ary mazàna dia ireo findain’ireo kaomisera mihitsy no tsy misy mandray amin’ilay antso vonjy ataon’ny olona, raha ny fitarainan’izy ireo.
Malala Didier