Sakoroka tao Anjahana Maroantsetra : Tsy ampy porofo, nafahan’ny fitsarana ady heloka bevava avokoa izy telo lahy

Ny zoma tolakandro teo no niakatra teo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava tsotra ny fitsarana ambony Toamasina, ilay raharaha sakoroka tao Anjahana Maroantsetra nitranga ny volana janoray 2018. Nandritra izany dia olona efatra: Alphonse – Manantsoa – Fenosoa – ary Denis no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana, saingy maty tany am-ponja ny iray i Denis nandritra ny fihazonana am-ponja vonjimaika azy ireo, ny 23 septambra 2018 araka ny baiko azony, satria nisehoana fitsaram-bahoaka nahafatesana olona efatra izay novonoina iray isan’andro tao Anjahana tamin’izay. Nisy 12 ny heloka nanenjehana azy efa-dahy voalaza fa nitarika fikomiana niteraka fitsaram-bahoaka nahafatesana olona efatra ity, teo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava tsotra. Samy nandà ny fanenjehana azy avokoa ireto voarohirohy nandritra ny fitsarana azy izy ireo, na efa ny volana Aogositra 2018 no nosamborina sy naiditra am-ponja izy efa-dahy ireto noho ny fanenjehana azy ireo. Araka ny fifandaharana teo anivon’ny fitsarana, dia  halatra lavanilina no niteraka izao fitsaram-bahoaka izao, satria efa tena leo ny fisian’ny halatra saika ho isan’andro ny lavaniliny ireo mpamboly tao Anjahana Maroantsetra tamin’izay fotoana izay. Io antony io no nahatonga azy ireo nanangana ny andrimasom-pokonolona ankehitriny. Raha namoaka ny didiny ny fitsarana ady heloka bevava tsotran’ny fitsarana ambony Toamasina, dia maro tamin’ireo heloka nanenjehana azy ireo no nofoanana ka vokatr’izany dia nafahana noho ny fisalasalana tamin’ny tsy fahampian’ny porofo ny telo lahy raha efa maty ny iray tamin’izy ireo

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.