Zanaka miaramila lavo an’ady : Nizarana hafaliana fetin’ny noely sy faran’ny taona

Amin’izao an-katoky ny fetin’ny Noely izao, dia tsy hadinon’ny Fikambanan’ny Vehivavin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena F.V.M.F (ireo vehivavy mpiasa sy vehivavy vady-miaramila sy sivily eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena) ny mitondra sy mizara hafaliana ho an’ireo zaza kamboty tezaina eo amin’ny ivon-toerana fitaizana zaza kambotin’ny Tafika Malagasy eny Antsahasoa “5ème Instruction PAGODE”. Amin’ny maha reny azy ireo, dia mahatsapa fa tokony hanome hafaliana ho an’ireto zaza kamboty ireto izy ireo ka izany indrindra no nanoloran’izy ireo kilalao sy fitafiana izay notarihan’ny Filoham-boninahitry ny fikambanana, Ramatoa Ranaivoseheno Lala, vadin’ny Amiraly Ranaivoseheno Antoine de Padoue, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny marainan’ny sabotsy 14 desambra 2019 teo. Nohararaotin’ny Filoham-boninahitry ny F.VM.F izao fotoana izao hitondrana hafatra nanentanana mpikambana mba hiray hina tanteraka ho andry amin’ny fampandrosoana ny ankohonana ka hipaka amin’ny asa ary ho tonga hatrany amin’ny firenena.

Misy 07 mianadahy, 07 ka hatramin’ny 14 taona, ireo zanaka miaramila lavo an’ady tezaina sy kolokoloina ao amin’ity ivon-toerana ity. Mpanabe 09 no misahana izany. Notokanana ny faha-3 ‘ny volana aogositra 2019 teo moa ity ivon-toerana fitezana zaza kambotin’ny Tafika Malagasy na “Centre Orphelinat de l’Armée Malagasy” ity.

T.M.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.