Amparafaravola – Tokatrano voatafika : maty voarasarasa antsy ireo mpivady tompon-trano

Habibiana tsy misy toa izany no namonon’ireo olon-dratsy ireto mpivady tany amin’iny distrikan’Amparafaravola iny ny alin’ny talata lasa teo. Tsy vitan’ny efa nampijalijaliana mantsy izy ireo fa mbola norasarasaina tamin’ny zava-maranitra ihany koa ny vatany ary izay no nitarika ny fahafatesan’izy ireo. Vola maherin’ny enina tapitrisa ariary teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy raha ny fampitam-baovao avy amin’ny namana any an-toerana. Ny talata hifoha alarobia no nitranga ity fanafihana miharo vono olona ity tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambohitromby, Ambodirano, distrika Amparafaravola. Tsy nisy naheno ny fanafihana, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Voafehin’ireo olon-dratsy, tsy hisy higiaka na dia feo kely akory aza tamin’izy mivady novonoina ireto. Hany ka ny vatana mangatsiakan’ireo mpivady efa nihoson-drà teo am-pandriana sisa mantsy no hitan’ny olona nony maraina ny andro. Nandeha ny feo araka izany fa mety ho olona akaiky azy ireo ihany no nahavita izao. Olona izay mahafantatra tsara ny fisian’io vola io teo am-pelan-tanan’ireto olona roa efa samy nahazo taona ireto. Tamin’io fotoana hatrany moa no niantsona ireo mpitandro filaminana tany an-toerana izay nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha. Efa mandeha araka izany ny fikarohana ireo izay mety nahavanon-doza nahavita izao heloka bevava izao. 

m.L / Janus

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

3 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Ny fahantrana ,tsy fisin’ny asa atao ,fitsiriritana , etsetra no mahatonga ny olona ho lasa biby . Be loatra ny elanelana eo amin’ny mpanankarem-be sy ny vahoaka mahantra .Ary ny tena mampalahelo dia betsaka no lasa mpanankarena tampoka amin’ny fanaovana politika sy ny kolikoly isan-karazany eo amin’ny mpiasampanjakana .Jereo ,aiza izao ireo anadahin’i Madama be , clochards tetsy Tsimbazaza taloha ,nefa dia lasa mpanankarembe mi-revy amin’ny 4×4 sy ny vola be . Mijery fotsiny ny mpitondra vaovao .Misaotra Tompoko.

  2. Mandimby,
    Tsy vitan’ny hoe efa maka vola fa mbola mandatsaka aina koa.
    Mahantra loatra ilay toetsaina gasy sasany.
    Raha mba ny fampianarana fotsiny aza no imasoan’ny fanjakana efa fanainga hampivoatra ny mponina ao.
    Rahoviana ihany ilay mangirana vao ho tazana????

  3. Tena efa mivadika biby ny olona ankehitriny ary raha ny tranga tahak’izao matetika dia ny valifaty na fialonana no mibaiko ny olon-dratsy ka mahavita fahadisoana tsy hita ho sainina Tsy vitan’ny hoe mandatsak’aina olona fa dia mandroba fanana ihany koa. Mirary ny mpitandro filaminana mba hahasambola ny olona navanon-doza

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.