Manakara : Vola sandoka 1,3 tapitrisa Ar tra-tehaka, ramatoa iray naiditra am-ponja

Noho ny fanomezan’olona tsara sitrapo loharanom-baovao mari-pototra ny mpitandro filaminana, dia vola sandoka 20.000 Ar mitentina 1,3 tapitrisa ariary saika haparitaka tao Manakara tampon-tanàna no saron’ny Polisim-pirenena, ny alatsinainy teo. Raha ny vaovao voaray, teo am-panakalozana ireo vola sandoka ny ramatoa iray no tratra ambodiomby, raha tafaporitsaka kosa ny vehivavy iray namany, izay mbola karohina fatratra hatramin’izao. Rehefa nofotorana lalina ity vehivavy voasambotra, dia nilaza fa 70 isa ireo vola tsy tena izy ro alina ariary avy tany amin’izy ireo, ary efa voatakalo tamin’ny fividianana entana teny an-tsena ny dimy tamin’ireo vola sandoka. Araka ny nambarany hatrany, dia vola avy any amin’ny faritra hafa ireto vola sandoka, ary nalefa taksiborosy ka notsenaina teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara Mangarivotra Manakara, ny Sabotsy teo. Rehefa natolotra ny Fampanoavana afak’omaly ilay mpanao heloka bevava, dia naiditra am-ponja vonjy maika ao Ambalatavoahangy miandry ny fotoam-pitsarana azy. 

Eric Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Ireo tratra taloha toa tsy voatsara foana hatramin’izao , nefa tena poizina goavana hoan’ny vahoaka mahantra io famintahana amin’ny vola sandoka io .Ahoana moa no ahafantaran’ny vahoaka madinika hoe tena izy ity na tsia . Mitovy amin’ny kidnapping io affaire io ,ary ho zava-doza hoan’ireo mpitondra.Misaotra Tompoko.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.