Toamasina : Mpangalatra taribin’ny Jirama telo maty voatifitra

Andian-jiolahy 04 noho izany no tratra ny zandary ambodiomby teo am-pangalarana tarobia na herinaratry ny jirama tao Tanandava, ka ny 03 voatifitra ny zandary izay ny 02 maty avy hatrany raha mbola afa-nandositra 400m vao maty ny faha-03. Ilay jiolahy faha-04 antsoina hoe “Piso” kosa dia hifampitadiavana miaraka amin’ny fitaovana fampiasan’izy ireo amin’izao fotoana izao fa tafatsoaka nandritra ny fotoam-pisamborana azy ireo. “Tsy handefitra amin’ireo jiolahy sy ireo mpividy halatra ary ireo mpanelanelana tratra momba ny resaka halatra tarobia na herinaratry ny jirama ny fitsarana. Hampitovianay amin’ny raharaha fakana an-keriny sy fanolanana ary famonona olona ny resaka halatra tarobia na herinaratra amin’ny fidsahan’ny fitsarana azy”, hoy Atoa Lauret Rajaonah Thierry tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina. Noho ny fitarainan’ny Jirama amin’ireo fangalarana andian-jiolahy ny tarobiany izay efa mahatratra 37Km ny very tao anaton’ny 02 taona, izany hoe 25Km ny taona 2018 sy tarobia 12Km ny taona 2019, izany antony mahatonga fatapahana herinaratra matetika eto Toamasina ihany koa izany dia nanome baiko ny Emmo-Sécurité hanao ezaka amin’ny fisahanana izany ny tonia mpampanoa lalana sy ny prefektioran’i Toamasina misahana voalohany ny filaminam-bahoaka eto Toamasina.  Efa mandeha ny sihon-dresaka fa ireo mpanamboara varavarava sy varavarakely ary fitaovan-trano amin’ny alalan’ny viraty no tena mpividy ireo tarobian’ny Jirama halatra ireo, ka eo am-panarahana izany ireo mpitandro ny filaminan’ny Emmo-Sécurité amin’izao.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

2 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Manabotry firenena ka mijinja ny nafafiny.

  2. O ry zalahy a tsisy fijerevana zo maha olombelona intsony moa izy ity sa fanapara-pahefana ataon’ny mpitandro filaminana indray marina fa mpangalatra ireo olona ireo nefa izany tsy midika hoe tsy maintsy vonoina izay mangalatra, misy gazety milaza fa nitondra basy PA iray izy ireo dia izany ve dia hahafahana manome rariny ny mpitandro filaminana ary ilay lahatsoratra dia manome vahana mihintsy fa rariny izao ataon’ny mpitandro filaminana izao.Mba asio fanadihadiana kely moa dia hita eo.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.