RN4 : Zazavavikely maty voahitsaka ny kamiao, nipotsaka ny atidohany

Namoy ny ainy ny zazavavikely iray. Namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao amin’ilay tanàna antsoina hoe Mahatsinjo ambany, ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny folo ora maraina teo. Zazavavikely vao 12 taona monja no voahitsaka ny kamiao teo amin’ny arabe tamin’io fotoana io. Potika tsy nisy noraisina ny lohany, ary nandriaka eran’ny arabe ihany koa ny rà nandritra ny loza. Araka ny fanazavana, dia avy any Mahajanga any, ary hitodi-doha ho any Antananarivo ilay fiarabe tamin’io andro io. Nalalaka ny arabe, ka iny nizotra teny an-dàlana iny ilay fiara no voalaza fa nisy ankizy nanapa-dalana tampoka. Voadona no sady nandalovan’ny kodiarana ny lohan’ilay zazavavikely. Araka ny fanampim-panazavana dia nandeha mafy loatra ihany koa ilay kamiao tamin’io ora voalaza etsy ambony io. Taorian’izay, dia tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza nanao ny fitsirihana sy ny fizahana ifotony ny mpitandro ny filaminana. Nanomboka teo dia niraikitra be ny fitohanana. Efa natao andrimaso eny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny mpamily nitondra kamiao hofotorana. Ny razana kosa dia nalain’ny havany ao Mahatsinjo.

Ratantely

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Itony dia mila saziana mafy satria tsy mahay ny lalana mifehy ny fitondrana fiara akory, izaho aza dia mahalala fa rehefa miditra tanana ny fiara dia tokony handeha mora omeo azy ny sazy sahaza main’ny tsy fitandremany

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.