Ambohimangakely : Andian-jiolahy voasambotra, 5 nadoboka eny Tsiafahy, 3 eny Antanimora

Valo tamin’ireo jiolahy 12  nanafika sy nandravarava teny amin’iny faritra Ambohimanambola sy ny Ambohimangakely iny no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely. Natolotra ny Fampanoavana ny zoma lasa teo izy ireo, fantatra tamin’izany, araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ireo mpitandro filaminana, fa ny dimy lahy dia nadoboka avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, raha eny Antanimora kosa ny ambiny. Mbola mandeha moa ny fikarohana ireo namany hafa, raha ny vaovao azo hatrany.

Ny zava-nisy : ny alin’ny sabotsy 21 desambra lasa teo, dia tokantrano maromaro teny amin’ny faritra Ambohimanambola iny no lasibatry ny andian-jiolahy mirongo zava-maranitra. Rehefa nahazo izay nilainy tamin’izany ireto olon-dratsy ireto, dia nitsoaka ary niampita vohitra kely monja dia nandravarava indray tao amin’ny tanàna antsoina hoe Soavinimerina Betafo, eny amin’iny faritra Ambohimangakely iny. Tao anatin’izany anefa dia efa nampandrenesina ny zandary ary efa nanomboka nanao fisafoana sy sahavao ny manodidina ary nametraka ireo sakana rehetra amin’izay làlana mety ho nitsoahan’ireo olon-dratsy. Tamin’izany fisafoana izany no nahita lehilahy maromaro nampiahiahy ireo zandary teny amin’iny Amoronankona Ambohimangakely iny. Rehefa nosavaina ireto farany, dia mbola nahitana rongony sy zava-maranitra tany aminy. Nentina no hadihadiana avy hatrany moa izy ireo ary fantatra tamin’izay, fa isan’ireo tompon’antoka tamin’ilay fanafihana mitam-piadiana izy ireo. Voalaza, fa efa jiolahy rain-dahiny nampikaikaika iny faritra iny mihitsy ny dimy lahy tamin’izy ireo, izay nanapahan’ny mpitsara mpanao famotorana hevitra ny handefa azy ireo eny Tsiafahy.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.