Ambatondrazaka : Jiolahy ranjanany mitety trano manolana vehivavy


Saika efa tokatrano dimy hatramin’izao no lasibatra amin’ny fanolanana isan-tokatrano ataon’ireo jiolahy eto Ambatondrazaka .Ny tao Antsahatanteraka izay voatsatoka antsy ilay tovovavy rehefa tsy nety  natao ankeriny  ka nandositra ilay jiolahy rehefa niantso vonjy izy  ,ny tao Antsahalava izay narahina fandrobana sy fangalarany fitaovana sarobidy izay samy voaolana avokoa ny renim-pianakaviana iray sy ny vinantony  vavy  , ny tao amin’ny faritra Asabotsy izay nitondra fitaovam-piadiana toy ny kalaknikov ireo jiolahy ,ary ny tao Antsimondrova  ny faha  13 janoary 2020  tokony tamin’ny 3 ora maraina .Toa saika mitovitovy  avokoa ireo fanafihana sy ny fomban’ireo jiolahy, satria voalazan’ireo voaholana fa manao fanamian’ny mpitandro ny filaminana izy ny akanjo ambony ary milaza fa misy jiolahy tafiditra ato aminareo ka hisambotra azy izahay sady mandondona manao feo avo  ,vao misokatra anefa  ny trano dia avy hatrany dia miditra ankeriny izy ireo ka manambana antsy ary manao ny fanolanana .Ireo tranga 4 dia toa olona mitovitovy avokoa satria voalaza fa jiolahy ranjanany iray no voatonotonona  ,fa ny tranga iray tao Antsahalava no nanao andiany ireo jiolahy ka taorian’ny fakana ireo entana sarobidy hatramin’ny moto    izy ireo vao manao  ny fanolanana .Mandray andraikitra ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao satria mitebiteby avokoa ireo vehivavy mitokatokana ny trano fonenany sy ireo mipetra-drery ary ny mpianatra.

R Janus

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.