Antsirabe : Tovolahy kely manao firaisana amin’ny biby, nosamborina

Jacaranda

Efa ela no nahalala ny fisian’io tovolahy kely  mamoa fady io tao Antsenakely Antsirabe ary rehefa voasambotra izy dia niaky tokoa fa tena manao firaisana amin’ny biby dia ny alika izany. Tsy vitan’izay fa mbola ataony mahita faisana ihany koa ny bandy kely namany ao Antsenakely ao ampihariny ny filan-dratsiny. Marihina fa ankizy tsy manan-kialofana izy ireo ary mpatory an-tsena. Nandritra ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana sy ny sampandraharaha misahana ny ankizy tsy ampy taona eto Antsirabe ambonivohitra no nahatratrarana azy.

Ankoatra izay dia nandrenesana fitarainana amin’ny tsy fandriam-pahalemana  noho ny fisian’ireo ankizy mpirenireny ireo ny mpivarotra ao Antsenakely satria efa maro no vaky tsena. Fantatra fa misy amin’ireo ankizy ireo no manendaka sy manao sinto-mahery rehefa hariva ny andro.

Raha ny vaovao voaray teo amin’ny mpitandro filaminana dia ankizy 15 isa tao Antsenakely  no  efa naterina eny amin’ny toerana fitazaina  ankizy mpirenireny ireny eto Antsirabe.

Andry N.

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.