Mpianatra roa maty tao Toamasina : itory ny zandary izay nitifitra ny fianakaviana

Vita ny fandevenana ary nivoaka tamin’ny fahanginany amin’izay ny fianakavian’i Gaston Cauchy (20 taona, mpianatry ny oniversiten’i Maninday ao amin’ny taona voalohany) sy Nomenjanahary Jeannot (22 taona, vao afaka bakalorea teo). Ny voalohany maty voatifitry ny bala telo samihafa ary ny faharoa bala iray. Ny alin’ny 17 janoary teo, dia nisy adin’ny samy tanora nandritra ny fandehanana tamin’ny fetin’ny « anniversaire » iray teo Ambolomadinika. Tsy tafody ireo tanora ary efa samy nisotrosotro. Rehefa nandeha teo ny fotoana, dia lasa nisy fifamaliana sy adiady. Nisy ny niantso ny mpitandro ny filaminana tao anatin’izany. «  Tonga tokoa ny olon’ny zandary ary novonoin’ireo ny jiron’ny fiara izay najanona lavidavitra. Nisy ny tifitra tamin’ny bala tena izy; izay natao ary nipaika tany amin’ireo roa lahy voalaza anarana etsy ambony izany ka nahafaty azy. Nentina tany amin’ny biraon’ny zandary na dia naratra mafy aza ary maty tany. Rehefa maraina vao naterina teny amin’ny tranom-paty ny razana » raha araka ny fanazavan-dRavelojaona Félicien, mpitondra tenin’ny fianakaviana mana-manjo. Io farany rahateo no nametraka ny fitoriana ireo zandary izay niditra an-tsehatra teo Ambolomadinika iny alina iny. Eny anivon’ny fampanoavana sy ny fampanoavan’ny fitsarana ambony no mipetraka izany antontan-taratasy izany. Antony telo ny votoatiny, dia ny vono olona niniana, ny fanararaotam-pahefana ary ny tsy famonjena olona miady amin’ny fahafatesana. Amin’ny fianakavian’ny maty, dia efa misy ihany ny marika fa manaiky ny fahadisoany an-kolaka ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana momba ity raharaha ity. « Tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany ka hoe ny mpitandro ny filaminana indray no tonga namangy izay olona novonoiny ary nolazainy fa jiolahy. Ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ireo tonga nitsapa alahelo ireo. Tsy noraisin’ny fianakaviana ny vola famangiana fa natolotra kosa ny fikambanana Atsimo Atsinana izay fiavian’izy roa lahy namoy ny ainy » raha araka ny fanazavana hatrany. Mangataka amin’ny fampanoavana koa ireo mba ho fanadihadiana ikambanana « enquête mixte » no hatao mba hialana amin’izay mety ho kiantranoantrano. Tamin’ity raharaha ity, dia nisy koa ny fanazavana ofisialy  nataon’ny zandary  ary nilazan’ireo fa jiolahy ireo namoy ny ainy. Io vondron’ny mpitandro ny filaminana io no nilaza fa nisy basy sy antsy teny amin’ireo olona ary voatery notifirina noho izany. Tsipahan’ny fianakavian’ny maty tanteraka izany rehetra izany ary nilaza izy ireo ny tsy hamela hatramin’ny farany raha tsy mivoaka ny marina ary misy sazy ho an’izay tompon’antoka tamin’ny famonoana.

D.R

 

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire