Sakaraha : Avotrailayzaza 2 taonanalaina an-keriny, dahalo telo maty voatifitra

Zazasova na bobo na « albinos »hoy ny vazaha, ity zaza 2 taona izay voalaza  fa nalain’ andian-dahalo nanafika  tao amin’ny tanàna iray  tao amin’ny distrikan’i Sakaraha ny herinandro lasa teo. Noho ny fahazoam-baovao marim-pototra tamin’olona tsara sitrapo, dia avotr’ireo miaramila mpampandry tany ao amin’ny ZRPS A1 izay miasa any an-toerana ity ankizy ity, tao aorian’ny fifandonana tamin’ireo dahalo , nyzoma 28 Febroary la sa teo. Ny ramaraina no niseho ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta tao amin’ny fokontany Adamionga, Sakaraha. Vokany jiolahy telo no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana. Azo sambo-belona kosa ny fito tamin’ireo 10 lahy izay mbola nikasa ny hitondra ireo ilay voatavo tsy mifandraka hitsoaka. Marihina fa salama tsara ilay zaza rehefa avy nandalo fizaham-pahasalamana. Fa natolotra ny zandary ireo jiolahy voasambotra.

T.M.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.