Andilamena : Taolam-paty enina gony nafenina, teo akaikina toerana fanaovan’ny zandary PR

Niezaka nanafina tsara ireto « entana », taolam-paty am-polony maro natao anaty gony miisa enina mantsy Ingahy Bernard, tany amin’iny distrika Andilamena iny, saingy ny tsy nampoiziny dia faritra tsy lavitra akory ny toerana fanaovan’ireo zandary fisavàna fiara eny an-dalana (PR) izany. Ary dia noraisim-potsiny ingahirainy, omaly.

Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy ny vaovao tonga teny am-poto-tsofin’ireo mpitandro filaminana fa misy olona manafina zavatra amin’ny gony maromaro teny amina toerana iray, atsimokelin’Andilamena. Tamin’io fotoana io, omaly, dia mbola teo am-panantanterahana ny fisafoana sy fisavàna ireo fiara mandalo ny zandary. Raha vao nahazo ny vaovao ireto farany dia nandeha avy hatrany teny amin’ilay toerana voalaza. Io eny tokoa fa mbola somokotra izay tsy izy amin’ny fanafenanana ireto entana amin’ny gony ny lehilahy iray. Nanatona avy hatrany ny zandary ary niroso tamin’ny fisavàna ireto zavatra anaty gony. Akory ny hagagana fa taolam-paty marobe, izay saika taolan-dava avokoa no tao anatin’izany gony miisa enina izany. Nogiazava avy hatrany moa ireto « entana » ary nentina natao famotorana kosa ilay lehilahy. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka moa ireo tompon’andraikitra amin’izany, raha ny omaly ka mbola tsy fantatra mazava hatreto hoe avy aiza ireto taolam-paty maro ireto, saika atao inona ary iza no tompon’ny entana sy ny tompon’antoka tamin’ny fangalarana izany ? Heverina fa ho fantatra tsy ho ela ny valin’izay fanadihadiana izay. Izany tokoa angaha ny hoe ny sivy ambin’ny sivifolo andro ihany no an’ny mpanao ratsy !

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.