Anosy : Mompera sandoka nosamborina

Olona maromaro no indray nitory azy. Milaza izy fa mopera avy any Moramanga. Hain’ity rangahy lehibe, 63 taona, ny mambabo ny fon’ireo izay hataony lasibatra amin’ny halatra izay hataony. Manao akanjo fanaon’ny pretra izy ary dia mora nanaiky azy koa ny olona. Isan’izany ny fianakaviana iray izay monina etsy Anjanahary ; izay tonga hatramin’ny fampiantranoana azy mihitsy  noho ny fahatokisana an’i « mopera ». Nandritry ny efa-bolana ity amboadia mitafy hodi-janak’ondry no nitoetra tao ary dia tsy nisy niahiahy ny momba azy. Hainy tanteraka ny nilalao ny sarimihetsika ary dia najaina hatrany izy tao an-trano. Vao maraina dia efa mipasoka ny akanjo lava fanaovan’ny mopera ity mpisandoka. Ary dia manana anton-dia hatrany izy isan’andro, toa ny hoe hampivavaka eny amin’ny paroasy na koa antony hafa. Na ny manodidina io tokantrano io ary dia lasa nifankahazatra tsara tamin’i mopera sandoka. Teo no tena nandeha ny fisolokiana. Nivarotany moto izay tsy misy akory ny ramatoa iray. Rehefa azony ny vola an-tapitrisany dia nanjavona amin’izay i mopera sandoka. Rehefa antsoina izy dia nivadika tanteraka ny lelany ary lasa jiolahim-boto no mamaly amin’ny finday. Sady mibetroka no manompa. Ny niafarany aza dia novonoiny hatramin’ny finday. Nametraka fitoriana teny anivon’ny polisy tetsy Tsaralalàna ny olona ary nanomboka teo ny fikarohana azy. Andro maro taty aoriana, nisy nahatsikaritra tampoka teny Antanimena ka nampandre ny polisy izay nanao ny fisamborana avy hatrany. Notazomina ary nanokafana fanadihadiana. Teo no nahafantarana, fa efa marobe ny olona izay voasolokiny. Natolotra omaly ny fampanoavana ity mpisoloky ity.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

2 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Raha tsy misy mpitondra tia tanindrazana marina mahasaha mampigadra ireo dahalo ambony latabatra ,sy ngetroka ,ary mamerina ny rehetra nangalariny ao @ fanjakana dia tsy hiova mihintsy i Madagasikara Tompoko . Mangalatra 10 milliards nefa 100 millions fotsiny ny amende asain’ny Tribonaly alohany ,ny trano be sy ireo 4×4 marobe tsy voakitika fa mbola nyhavany no manjaka ao . Jereo tao Ivato aeroport , polisy nangataka 25 euros dia voagadra ,rava ny fiainany manontolo .Mety ve izany aminao ? Aiza izao i MAHARANTE Jean du Diable ? izay milamina tsara ao Frantsa tsy misy WANTED .Betsaka ny tsy voatanisa eto daholo Tompoko .

  2. Taratry ny fahantrana daholo tompoko,malahelo ireo voasolokiny aho ary tsy faly koa satria dia hampiasaina amin’ny asa ratsy ny asan dry maopera ,An’iza ny tsiny ? an’iza ny fahadisoana ? porofo koa izao ,fa maranitsaina ny gasy ,indrisy anefa fa tsy fantratry ny mpitondra no tokony hitrandrahana izany ,fa ny tombontsoa ho azy aloha no fantany,ary raha mbola izao zava misy izao no mitohy dia minoa ahy ianareo ,fa hisy zavatra hafa izay mbola tsisy mpanao ho vitan’ny gasy .

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.