Ambovombe : Ben’ny tanàna teo aloha sy ny vadiny, notifirina noho ny resaka politika

Samy naratra izy mivady ireto niaraka tamin’ny olona roa hafa, rehefa nisy olon-dratsy nitifitra tany tamin’iny distrika Ambovombe. Soa ihany anefa fa nalaky voavonjy haingana ka tsy misy atahorana ny ain’izy ireo. Voalaza fa disadisam-piarahamonina sy resaka politika no antony nahatonga izao fahavoazan’izy ireo izao. Ny alin’ny alahady teo no nisy fanafihan-jiolahy mahery vaika tao amin’ny kaominina Erada, distrikan’Ambovombe. Lasibatra tamin’izany ary voan’ny balan’ireo olon-dratsy mihitsy aza ny olom-boafidy iray teo aloha, niaraka tamin’ny vadiny ary olona roa hafa. Araka ny fampitam-baovao azo dia izy ireto mihitsy no niantefan’ity fanafihana ity ary nokasaina hovonoina tamin’io fotoana io, izay voalaza fa noho ny anton’ny tsy fitovian-kevitra sy fankahalana teo amin’ireo samy mpiray monina. Tao anatin’izany fifandonana izany no niditra an-tsehatra ny zandary rehefa nahazo antso vonjy ary tonga avy hatrany tany an-toerana nanao ny famotorana. Tsy niandry ela fa nisy olona telo izay fantatra fa isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanafihana no nosamborina ary nentina nampiakarina tao Ambovombe. Teny an-dalana indray anefa, ny ampitson’io fanafihana io, rehefa nahafantatra izany ireo fokonolona dia niara-nirohotra, nanakana ny lalan’ireo zandary nitondra azy telo ireto. « Notakian’ireo andian’olona ireo ny hanajanonana ireo olona nosamborina ireo fa hatao kabarin-drazana» hoy ny vaovao. Mazava ho azy, mety tsy voatana ny hatezeran’ireo fokonolona ka tsy maintsy hiafara amin’ny fitsaram-bahoaka ny zava-nitranga ka nisy ny fandaminana sy ny fanelanelanana nataon’ny Kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary sy ny Governora tany an-toerana tamin’ireo mponina ka nilamina ihany ny toe-draharaha. Taorian’izay dia nitohy ihany ny famotorana azy telo ireto ka niafara indray tamina fisamborana olona roa hafa izany. Teo no nahafantaran’ireo mpanao fanadihadiana fa « disadisam-piarahamonina sy pôlitika eo an-tanàna no antony nahatonga izao tsy fandriampahalemana izao ». Nanao antso avo ho an’ireo fokonolona moa ireto tompon’andraikitra ireto fa aoka mba tsy hoe tsy fitovian-kevitra no hikasàna handatsahana ain’olona ary « aoka ny tanora tsy ho voasarika amin’ny asan-jiolahy vokatry ny firehana ».

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Ireo olona aminy sary ve no nanafika sy nitifitra e?
    Toy mbola latsaky ny 18 taona sa fonetanetana ,tsy ampy sakafo dia toa mbola zaza.
    Avy aiza ny basy raha hoe « nitifitra » ireo mpanafika?
    Sao misy olon-dehibe ao ambadiky mampiasa zareo ireo?
    Tena mampatahotra ny fiovany toe-tsaina raha toa ka zaza no terena hanafika izay tsy tiana, tsy mitovy hevitra.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.