Distrikan’i Maroantsetra : Tovolahy 24 taona feno dian’antsy dimy 

Nisehoana vono olona tamin’ny  fomba feno habibiana tao amin’ny fokontany iray tao amin’ny distrikan’i Maroantsetra antsoina hoe Ankiakandrefana. Voalaza tamin’izany fa tovolahy vao 24 taona antsoina hoe Rajaonarison Didiant Fraco ity hita faty nisy namono ity. Tao amin’ny toeram-pidiovana no namonoan’ireo namono azy ny tenany ny alahady 12 jolay lasa teo. Raha ny fanazavan’ny ray aman-dreniny dia nanomboka ny alin’ny sabotsy 11 jolay no tsy tonga nisakafo tany amin’izy ireo intsony ity tovolahy ity. Matory ihany mantsy ataony ao Ankiakandrefana, fa ao amin’ny fokontany Ambohitsara izy no tena mipetraka. Niangavian’ny fianakaviany niandy trano ny tenany ka izay no nahatonga azy tany Ankiakandrefana. Raha ny fanazavana ihany koa dia miara-miambina ny trano miaraka amin’ny sakaizany izy mandritra izany ihany koa ; saingy ny tsy fahatongavany nisakafo tao Ambohitsara ny alahady no tena nanaitra mafy ny ray aman-dreniny ka nojeren’izy ireo tany ilay tovolahy. Akory ny hatairan’izy ireo fa vatana mangatsiaka tao anaty toeram-pidiovana feno dian’antsy 05 be izao no nivantanan’izy ireo. Nahitana dian’antsy teo amin’ny lohany, teo amin’ny tendany ; ka avy hatrany dia ilay sakaizan’ilay tovolahy no nandehanan’ny eritreritry ny ray aman-dreniny, satria taolohan’izao dia nisy disadisa mafy teo amin’ilay tovolahy sy ilay sakaizany. Nanomboka ny alahady 12 jolay teo dia tsy hita ny nanjavonan’ilay sakaizan’ilay tovolahy. Mandeha ny fikarohana rehetra amin’izao, nefa efa fantatra fa avy amin’ny tanàna antsoina hoe Imatso, distrikan’i Befandriana avaratra ny fiaviany. Efa mandray an-tanana ny raharaha ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.