Namontana : Karohina ireo nanary sy namono zaza

Zaza feno mangana sy ratra noho ny daroka. Izay no hita tetsy Namontana ny talata teo. Ireo polisy avy ao amin’ny FIP izay nanao fampodiàna olona noho ny hamehana ara-pahasalamana no nahatsikaritra ity zaza izay tombanana ho efa-bolana teo amin’ny fanariam-pako. Efa niady aman’aina izy ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly ary avotra soa aman-tsara. Nahonena loatra ny tranga ary nanokafan’ny polisy fanadihadiana avy hatrany. Omaly dia efa niverina teny an-toerana ary nanontany ny fiaraha-monina ny polisy.  « Saika hisy hamono ilay zaza », raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Karohina ny ray aman-dreniny na koa izay mety ho tompon’andraikitra amin’izany. Afaka miantso ny 034 05 703 73 (polisy) izay manam-baovao momba io raharaha io na koa mahita tranga mitovy amin’izany.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.