Tsaralalàna : Feno mpivarotena amin’ny andro antoandro


Nivadika koa ny fomba fisehon’ity asa tranainy indrindra eran-tany ity noho ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana, indrindra ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina. Lasa amin’ny antoandro be nanahary indray no tena miasa ireo mpivarotena. Eny Tsaralàna no tena betsaka izy ireo, ary eo amin’ny toerana izay fiasan’izy ireo amin’ny alina ihany, tany aloha tany. Milahatra amin’ny sisin-dàlana mihitsy ary ny tsikaritra dia betsaka ireo mbola tanora kely no tafiditra ao anatin’izany asa izany. Tsy anisan’ireo voatonona, fa voarara rahateo ilay sehatra, hany ka lasa miroborobo ny varotra na amin’ny andro mazava aza. Betsaka rahateo ny sahirana ka lasa mampiasa izay ananany mba hentina miatrika ny fiainana. Matoa miasa ireo mpivarotena dia mazava hoazy, fa misy efitrano fandraisam-bahiny misokatra koa izany eny amin’ny manodidina eny. Efa nisy hatrany ny fivaron-tena amin’ny andro antoandro, saingy tsy miseho masoandro toy ny zava-misy ankehitriny. Na miafinafina ireo mpiantsehatra na mandeha amin’ny alàlan’ny tambajotra. Izao kosa dia lasa hitan’ny besinimaro ilay karazam-barotra. Ny alina indray dia tena mangina tanteraka eny an-toerana. Na izany aza, dia misy ihany saingy vitsy ireo mpijorojoro mivarotra fahafinaretana. Manjononjono ireo mpiasa alina eny an-toerana, toy ny mpitandro ny filaminana na ny mpiambina no tena tanjon’izy ireo. Lany ny vatsy iray hetsy ariary, ary lasa nivoaka ho azy ireo mpivarotra fahafinaretana?

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

5 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Amiko NY lehilahy manantona ireny vehivavy na lehilahy mivarotena ireny dia tokony ho tapahina NY zaferany ,

  2. rakoto diam-parihy >> Lélé, ny manao asa mivaro-boanjo sy mivarotra mangidy eraky ny arabe aza lehity madio kokoa a. Tsy hoe mpi’kil eny i rangahy dia mamporisika be

  3. Ny toe javatra toy itony dia tsy tokony havoaka sy hanaovana resa be ,fa matoa misy izy ireo na atoandro ary ,dia teren ny zava misy izy ireo ;koa ho anareo mahay miteny ireo dia aza manody hoy ny fitenenana ,ary mba asio hasiny ihany na ny maha olombelona azy ireo fa tsy biby akory .

  4. Tokony ho nampidirina ho fônko sy ônera ange ry zareo fa tsy vitan’izay iray hetsy tsy misy dikany iny fotsiny e

  5. Efa ela ihany kosa ny 1 hetsin’ny makorelina no azony, efa ela no lany! Ho an’izay nahazo io an! Asa rahoviana ny manaraka?
    Ny filan’ny sasany kanefa tsy azo ferana, rehefa tsy misy shipa, tsy afaka ny 2ème bureau, na tsy mety madama dia any izany!

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.