Ilakaka : Raikitra ny tifitra tao anaty hotely

Fifamaliana no niatombohany ary niafara tamin’ny fampiasana fitaovam-piadiana. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambalafary, kaominina ambanivohitra Ilakaka no nisian’ilay tranga. Nalain­drangahy ny basy roa izay tao an-tranony ary niverina tao amin’ilay hotely izy ary notifiriny avy hatrany ilay nifamaly taminy. Soa fa sendra nisy mpitandro ny filaminana maromaro izay nisakafo koa tao ary ireo no namehy avy hatrany ilay rangahy. Nivily ny tifitra ary nifatratra tany amin’ny varavarana. Efa saika ratsy. Nosamborina avy hatrany ilay tompon’antoka, iny asabotsy iny ihany.

nangonin’i D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.