Vohipeno : Kamiao mpitondra solika nivadika

Nandona mpitaingina bisiliketa izay maty tsy tsa-drano. Rehefa avy eo dia tafavoaka ny làlana ary nifatratra tany anaty hatsana. Kamiao mpitondra solika na « camion-citerne » no niharan’ny lozam­pifamoivoizana tetsy amin’ny tanàna antsoina hoe Amborobe, ao amin’ny disitrikan’i Vohipeno. Mba tsy nipoaka izany na dia mafy aza ny fahavoazana. Notànana natao fanadihadiana ny mpamily satria nahafaty olona ilay lozam-pifamoivoizana. Ny solika izay nivoaka tamin’ilay fiara lehibe kosa dia notatazan’ny olona mba tsy hamoa-doza.

nangonin’i D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.