Faritra Ihorombe : « Quartiers mobiles » 1770 vita fiofanana

Ny zoma lasa teo no nifarana ny fiofanana nomena an’ireo olona an’arivony mahery nirotsaka ho « quartiers mobiles » tany amin’iny faritra Ihorombe iny. Lanonam-pamaranana izany no natao tany an-toerana, izay notronon’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila. Fantatra fa haparitaka manerana ireo distrika telo ao anatin’ny faritra izy ireo : 1443 ao amin’ny distrikan’Ihosy, 138 any Iakora ary 189 ao Ivohibe. Samy hahazo ny anjarany avokoa araka izany ireo kaominina 31 mandrafitra ireo distrika ireo ka heverina fa hisy quartiers mobile dimy isam-pokontany. Izy ireo moa dia marihana fa handray anjara mavitrika ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.

Nangonin’i m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.