Oniversiten’i Toamasina : Faty roa niboridana, hita tao anaty fanariam-pako

Ny 21 Jona lasa teo dia nahitana vono olona nahatsiravina teny Barikadimy, ka raha avy novonoin’ireo andian’olona ity rangahy antsoina hoe Manana Jean Richellin ity, dia narian’izy ireo niboridana teo amin’ny fanariam-pakon’ny oniversiten’i Toamasina. Raha natao ny fanadihadiana savaranon’ando tamin’izany, dia nalefa teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ilay rangahy niandry ny havany. Nanomboka tamin’ny fandraisan’ny fianakavian’ny fatin’ingahy Manana Jean Richellin no nametrahan’izy ireo fitoriana olon-tsy fantatra teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava Toamasina, ary nanomboka teo no nanao ny asany ity sampan’ny polisy ity. Noheverina hoy ny kaomisera nisahana ny raharaha, fa ny alin’ny 20 jona hifoha ny 21 jona 2020 no nanaovan’ireo andian’olona izany vono olona mahatsiravina izany, ka ny alakamisy 06 aogositra teo dia nisy rangahy iray nosamborin’ny polisy fa mifaningotra akaiky tamin’ity vono olona ity. Raha nohenoina ity rangahy ity, dia niaiky ny heloka vitany tamin’ny famonoana an’ingahy Manana Jean Richellin ny tenany ary nanondro ireo namany roa niara-namono azy, tamin’ny polisy ihany koa. Samy niaiky ny heloka vitany izy telo lahy voasambotra ireto tamin’izany, raha ny filazan’ny kaomisera nisahana ny raharaha, ka anjaran’ny fitsarana indray no mandray ny fepetra mifanandrify amin’izany. Raha ny angom-baovao farany, dia miandry fitsarana am-ponja noho ny vono olona nataon’ireto andian’olona telo tratra namono an’i Manana Jean Richellin ireto.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

2 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Fanamarihana ho an’Andriamatoa Malala Didier (Na Ramatoa).
    Moa ve azafady mamaky tsara ilay « article » soratanao ianao sy ireo mpanaramaso ny vaovao havoakanareo ianareo alohan’ny hamoahana azy?
    Ny lohateny omenao dia « FATY ROA… », araka ny fitantaranao anefa dia rangahy iray no maty ».

    Misy fiatraikany amin’ny mpamaky tahaka anay izany.
    Dia ho gaga ve ianareo raha misy mitory vokatry ny fitaka sy lainga havoakanareo?
    Fanaonareo mantsy izany mba hahalafosanareo ny gazetinareo maro, dia avy eo vao mody miala tsiny sy te ho ambonin’ny lalàna ka hilaza fa tsy azo toriana na samborina na gadraia.

    Nirinaharitsima no anarako.
    Monina ety ANosizato Atsinanana
    Monina ety Anosizato Atsinanana.

  2. Aiza re ilay promesse goavana talohan’ny fifidianana hoe priorité ny lutte contre l’INSECURITE . Ny Ministra incompétent RICHARD BAOMBA mbola mibodo toerana tsy azo esorina foana . Ao amin’ny Toby ny ZANDARY any Antsiranana avy no misy mangalatra ny harena sy ny basy poletan’ny Jeneraly .Ao anaty TOBY an! hoatran’ny hoe TOBY RATSIMANDRAVA eo andrafan’Ambohijanahary Antananarivo .Mahereza e !

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.