Rolly Mercia : « Miady amin’ny fahafatesana », hoy ny vadiny 

Talohan’ny nanaterana azy teny Antanimora. (sary tahiry)

« Efa mankahery tena izahay fianakaviany, ary naman’ny efa mampionona saina » raha araka ny fanazavan’i Clarisse Razafy Rahajason, vadin’ny minisitry ny serasera teo aloha. Efa tena reraka i Rolly Mercia, ary na ny taratasy mahakasika ny fizaham-pahasalamany aza dia manamarina izany, hoy hatrany ny vadiny. « Miaka-midina be ny hafanany ary tsy mety milamina ny tahan’ny diabeta izay mahazo azy. Vokatr’izany, dia tsy mahita tory mihitsy izy ary manaintaina na andro na alina. Nihena be ary lasa mahia kely no sady reraka koa » raha ny fanazavan’ny loharanom-baovao mitovy momba ity tsy fahasalamam-badiny izay mifonja ao Antanimora ity, nanomboka ny alin’ny 16 jolay lasa teo. Notsorin’i Clarisse Razafy Rahajason, fa efa manamboatra sainy izy sy ny fianakaviany ary efa nanao fivoriam-be mba hentina hampahery saina. Hafatra an-taratasy no mba nifandraisanay, satria tsy afaka ny nifanatri-tava mihitsy, hoy hatrany izy. Olona valo izy ireo no miray trano famonjana, ary nisy izay efa afaka ankehitriny ka nitantara ny nanjo an’i Rolly Mercia ary nilaza fa mila mampionon-tena izahay fianakaviany. « Efa narahina avokoa ny pitsony rehetra ara-pitsarana izay mangataka ny famoahana azy vonjimaika noho ny antony ara-pahasalamana. Nolavina hatrany izany. Ankehitriny, dia manamafy izahay no sady mangataka ny hamoram-pon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mba hamela an’i Rolly Mercia hitsabo tena, satria tena ahiana tanteraka ny ain’io mininistra teo aloha sady mpanolotsain’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha. Tsy sangisangy fa tena mangataka izahay ny mba hijerena manokana ny vadiko izay miady aman’aina ankehitriny ao Antanimora ao » hoy i Clarisse Razafy Rahajason. Niditra am-ponja rehefa voarohirohy ho nanohintohina ny filaminana anatiny i Rolly Mercia. Izy no voatondro molotra ho namatsy vola ny hetsika mitaky ny famoahana an’i Berija Ravelomanantsoa tetsy Ambohipo. Nosamborina teny an-tranony ny marainan’ny 16 jolay, ary ny harivan’iny ihany dia nidoboka tetsy Antanimora. Nolaviny avokoa ny fanenjehana. Nilaza ny mpisolovava azy, fa tsy nisy porofo nivaingana ankoatra ny fanononana ny anarany tao amin’ny fampanoavana. Miady aman’aina ankehitriny izy ao Antanimora ary manao antso vonjy ny vady aman-janany.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

4 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. @ Mariana sy ry j.rakoto de Paris

    Aza mandray an-tendrony miheno feon-dakolosy tokana fa hanontanio aloha ny tompon’andraikitra lehiben’ny fonja sy ny dokotera eny Antanimora . Ary inona no hidiran’ny 2009 amin’izany ? Hitony Mariana itony mihitsy no tena kely saina manafangaro resaka . Ilay j.rakoto de Paris tsy mahagaga mba any andafy ihany kanefa ny fisainana mbola jomaka eny Isotry !

  2. +Tafahoatra loatra ity tantara ity ,tsy mahafantatra izay tena hanamelohina azy ny rehetra ,fa kosa ,raha misy tsy fahasalamana mahazo ny voafonja ,dia zony ny homena fitsaboina ,eny fa na dia hiafara amin’ny fidirana hopitaly .Tena tsy rariny intsony izao ,ary ireo dokotera miasa ao amin’ny fonja ary dia hadinony sahady ,ny velirano nataony,sa mahery be ny teny midina ka na efa ambava haona ary ilay tsy salama dia jerena fotsiny amin’ny ,hataovy an tsaina tompko ny deontologie amin’ny maha mpitsabo anareo .

  3. Mariana.

    Ny loza dia mankafy azy foana ny gasy vendrana, izany hoe ilay vahoaka mihitsy no tena
    kely saina sy mora ampiesonina na dia efa nampitandremana dieny mialoha aza.

  4. Mamono olona mivantana aza vitan’io fitondrana io nanomboka ny taona 2009, izay manelingelina azy rehetra ka tratrany dia pan! Ny tantara tsy fanadino, fatiolona marobehatrizay ve? Mainka fa olona gadrainy ho fatin’ny aretina fotsiny eo! Fitondrana mahavanondoza io e, asakasak’izay mino ny fampandriana adrisa ataaony!
    Mahafanta-javatra i Rlly Mercia ka ampanginina!

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.