Mahazomà-Maevatanàna : Vehivavy maty noleran’ny vadiny antsy

Namoy ny ainy ny vehivavy iray tany amin’ny kaominina Mahazomà, disitrikan’i Maevatanàna, ny Zoma 11 Septambra lasa teo. Iny nipetrapetraka tao an-trano iny ramatoa no sendra ny vadiny efa somary mamomamo avy nisotro toaka no tonga dia nila vaniny, ka raikitra teo ny fifamalian’ny roa tonta, nony voatsindrona antsy tampoka, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva teo. Vokany: maty tsy tra-drano ilay vehivavy taorian’izay, ka lasa nitsoaka nandositra kosa ity lehilahy vadiny rehefa nahavita ny nataony. Taitra ny olona mpifanila trano amin’izy ireo, raha nahita ny antso vonjy sy zava-niseho, ary raikitra ny fanenjehana ny nahavanon-doza, ka efa lasa lavitra vao tratran’ireo olona eo amin’ny manodidina, ary  efa natolotra ny Zandary any an-toerana. Nezahina nentina namonjy hopitaly tao amin’ny CBII ao Mahazomà an-tapon-tanàna kosa ilay vehivavy, singy tsy tana intsony ny ainy. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny tompon’anadraikitra any an-toerana, raha vao nahazo antso. Marihina, fa efa nifampiteraka lahikely iray vao iray taona sy roa volana moa izy mivady ireto. Raha ny fantatra, dia efa mandeha sahady ny marimaritra iraisana ataon’ny fianakavian-dralehilahy amin’ireo olona manana ny maty. Manao fivoriana matetika ny fianakavian’ny an-daniny sy an-kilany handaminana ny raharaha. Eo ihany koa ny tsy faneken’ireo finakavian’ny maty ny fandaminana. Etsy an-kilany efa mandeha ny famotorana ataon’ny Zandary ao amin’ny « Poste Fixe Mahazomà, » ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela eto Maevatanàna ny raharaha, hoy hatrany ny fampitam-baovao voarainay.

Ratantely

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.