Ikalamavony : Manakorontana ny fiarahamonina i Pety Rakotoniaina

Miantso vonjy amin’ny fitondram-panjakana, hamaha ny olam-piarahamonina ateraky ny fanakorontanana ataon’ny solombavambahoaka teo aloha Pety Rakotoniaina, efa am-bolana maromaro ankehitriny, ny vahoakan’ny distrikan’Ikalamavony. Mitaraina ireo mponina any an-toerana ny amin’ny fandrobana ny fananan’ny tantsaha, arahana fandrahonana hanagadra azy ireo ataon’ity mpanao politika ity. Tany sy omby maro no efa azony tamin’izany raha araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny olobe avy any amin’ny kaominina Fitampito, izay toerana fiavian’i Pety Rakotoniaina. « Efa fanaony tamin’ny fotoana nitondrany fanjakana ny fakana fananan’olona an-keriny toy izao, saingy niato kely izany hatramin’ny nitazonana azy tany am-ponja, ka izao averiny izao indray », hoy ihany ity olobe ity nanamafy. Noraisiny ho ohatra amin’izany ny nanjo ity raim-pianakaviana izay voalaza fa havan’i Pety Rakotoniaina ihany, nefa dia nivadihany tsotra izao ka nakany am-pitaka ny tanimbariny tao Miandralanitra, fokontany Lainjanony, kaominina Fitampito. « Nolazainy, fa azony tamin’ny lavanty, fony izy mbola ben’ny Tanànan’i Fianarantsoa  ny tanimbarinay ka nampandroahany vadintany izahay sy ny mpifanila vodirindrina taminay, rehefa tsy nanaiky handoa vola 10 tapitrisa ariary taminy », hoy ny tompon-tany. Tsy nisy akory anefa io lavanty io na dia nampiseho taratasy nilaza izany aza izy. Afaka nanaporofo ny maha hosoka izany teo anatrehan’ny Fitsarana moa ilay voasoloky, raha niakatra Fitsarana ity raharaha ity, ny herinandro lasa teo, ka dia naverin’ity farany tamin’ny tompony soa aman-tsara io tanimbary io ankehitriny. Miangavy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny Fitondram-panjakana ary ny mponina any Ikalamavony mba hahafahan’izy ireo hiaina milamina sy hiroso amin’ny asa fampandrosoana ity faritra ity.

T.M.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

2 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. · Edit

    E e e ! Ka tsy izay ve no atao hoe Fiovana e! Ravalomanana lazaina fa mpanao didijadona fony nanasazy olona fa hita mambotry firenena dia nararaotiny sasany sy nanaovan litanie taminy Radio fa mpanao didi-jadona sy mpangoron-karena dia izao izy izao aza gaga raha misy olona be dia be tsy tandalana asiana fitsipika mifehy eto lazaina fa voageja dia taomin’olona hanongam-panjakana taminy 2009, izao izy izao e! samy mandinika sy mieritreritra

  2. Fony nanagadra an’io olona io Ravalomanana fahiny dia nolazain’ny Rajoelina sy forongony fa manapa-pahefàna, dia rehefa nahongany Ravalo dia navoakany tany am-pigadràna i Pety, dia izao mampifady ranovana olona maro toy izao.Izany no vokatry ny hetsika »Rajoelina », ohatra iray ihany io fa tena marobe ny voka-dratsy nateraky ny hetsika Rajoelina teto amin’ny firenena.
    Tsy hadino ireny fa tsy maintsy ho avy ny andro handraisany ny valin’asany

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.