Betafo : Zaza hividy “glace”, maty nofaohin’ny taxi-brousse

Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tao Betafo. Zazavavy kely iray handeha hividy “glace” no nofaohin’ny fiara tapaka hisatra. Ny alahady tokony ho tamin’ny 2 ora teo no nisehoan’ny loza, teo an-tampotananan’i Betafo mihitsy . Fiara Taxi brousse, marika Mazda iray tsy nitondra  olona akory fa hizotra hamonjy fiantsonana no tapaka hisatra ka nifatratra tamin’ny sisin-trano nanakaiky ny lapan’ny tanàna. Zazavavy kely 3 taona niaraka tamin’ny dadatoany no voafaokan’ilay fiara  talohan’ny nifatrarany tamin’ny sisin-trano. Nosokirina tao ambany fiara mihitsy ilay zaza, araka ny fanazavana. Ilay dadatoany kosa mbola miady amin’ny fahafatesana ao amin’ny hopitaly. Ankoatra izay, naratra mafy koa ny mpamily izay voalaza fa tapaka ny tongony. Araka ny fanazavana, nandeha mafy ilay mazda, ary mafy dia mafy ny dona satria potika ny lohan’ny fiara izay nahatapaka ny tongotry ny mpamily, voamarina fa tena tsy fahatomombanana teo amin’ny fiara mihitsy no nitarika izao loza namoizana ain’olona izao. Raha tsiahivina dia fiara roa no efa may volana vitsivitsy lasa izay vokatry ny tsy fahatomombanana hatrany eo amin’ny lafiny teknika.

Andry N.

 

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.