« Facebook » : Lehiben’ny vondrona iray indray nosamborin’ny pôlisy

Fihantsiana adim-poko, fanalam-baraka mpitondra fanjakana, mpanao politika, olon-tsotra fa indrindra fanaparitahana sary sy horonantsary mamoafady … Ireo no nanenjehena ity lehilahy lehiben’ny vondrona (administrateur de groupe) iray ao amin’ny « Facebook » antsoina hoe « Zava-misy eto Madagasikara sy Maneran-tany », izay nosamborin’ny pôlisy avy etsy amin’ny sampana « Cybercriminalité ».

«Nandrasain’ny pôlisy andraikitra ny vondrona iray mpandefa vaovao tsy am-pahamendreheana » » hoy ny fanazavàna azo avy amin’ny pôlisim-pirenena.  Azo lazaina tokoa fa voara-maso tanteraka ireo fanehoan-kevitra isan-karazany mivoaka ao anaty tambajotra sosialy ao raha ny eto amintsika, indrindra fa ny ao anaty  « Facebook » ao. Ity farany mantsy no azo lazaina fa be mpanaraka indrindra, raha tokoa ka maro tsy voatanisa ireo tambajotra sosialy hafa maneran-tany.  Ireo izay mivoaka amin’ireo vondrona, izay efa sokajiana ho mahamay sy manana mpikambana maro an’isa ao anaty FB aloha hatreto no tena voatily manokana, ka anisan’izany ity vondrona iray « Zava-misy eto Madagasikara sy Maneran-tany » ity. Marihana, hoy ny avy eo anivon’ny pôlisy hatrany, fa tompon’andraikitra feno amin’ny fanehoan-kevitra mivoaka eo amin’ny rindrin’ny vondrona tantaniny ireo lehibem-bondrona. Araka izany, raha misy ny fanehoan-kevitra mihoa-pefy, marika ka mety hitondra fikorontana eo amin’ny filaminan’ny vahoaka, mivoana amin’ny lalàna velona eto amintsika dia tsy maintsy mandray andraikitra sy misambotra izay tompon’antoka, izay tsy iza fa ilay lehibem-bondrona ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Araka izany, nosamborina ny lehilahy iray namorona io vondrona io ary nentina natao fanadihadiana eny anivon’ny birao misahana ny ady amin’ny heloka ara-kajimirindra etsy Anosy. Omaly no fantatra fa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny lehilahy rehefa vita ny fangalàna am-bavany azy teny anivon’ireo pôlisy. Ireto farany dia tsy mitsahatra ny manentana ny tsirairay mba hampiasa am-pahemendrehana sy amin’ny tokony ho izy ny tambajotra sosialy ary mampahatsiahy an’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ireo vondrona sy pejy ireny ny andraikitra raisin’izy ireo manoloana ny fanehoan-kevitr’ireo mpikambana.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.