RN7 : Mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana

Tsy fitandremana ve sa ny mpamily mihitsy no lasa manavao lalana noho ny fihiboana naharitra loatra. Mipetraka izany fanontaniana izany noho ny fahitana fa mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena eny, raha tsy hilaza afa-tsy ity nitranga tany amin’ny RN7, tao Ambositra, faritra Amoron’i Mania, ny zoma lasa teo. Fiara roa, kamiao sy Sprinter, no indray nivadibadika io andro io. Tamin’ny 6 ora maraina ny voalohany. Kamiao lehibe iray handeha ho any Fianarantsoa no nivadika tany an-tanimbary rehefa niala ny arabe tao amin’ny toerana atao hoe Ilaimora, fokontany Manarinony, kaominina Tsarasaotra, distrikan’Ambositra. Araka ny angom-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia fahavoazana avy ao amin’ny familiana nitranga tamin’ity kamiao ity no nahatonga ny loza. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tamin’izany na dia goavana aza ny fahasimbana teo amin’ity fiara be ity. Tamin’ny 4 ora sy 20 minitra tolakandro kosa ny faharoa, izay nitranga tao an-tampontanànan’Ambositra. Fiara mpitatitra olona Sprinter iray handeha hizotra hianatsimo no nivadibadika ambony ambany teo amin’ny lalana manoloana ny hôtel Sokela, ao amin’ny fokontany Vatovory, rehefa avy nandona vehivavy 32 taona nandeha an-tongotra. Vokany, naratra mafy ity vehivavy ity. Naratra mafy toy izany ihany koa ny mpamily sy ny mpadeha efatra tao amin’ilay Sprinter.

T.M.

 

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.