Burkina Faso : Lehilahy « malagasy » maty nisy nitifitra

Nitrangana fanendahana niharo fitifirana tao an-drenivohitr’i Burkina Faso , ny alatsinainy maraina lasa teo. Lehilahy iray, voalaza fa teratany malagasy no fantatra fa lasibatra tamin’io fotoana io, araka ny vaovao niparitaka ao anaty tambazotra sosialy Facebook. Voalazan’ny tranonkala iray : www.infowakat.com, izay hany tokana namoaka ny vaovao rahateo, fa maty nisy nitifitra tao anaty fiarany ity lehilahy ity, raha iny izy vao avy nivoaka ny banky iny. Izany hoe niharan’ny fanendahana ary notifirin’ilay olon-dratsy nony avy teo. Mpahay manokana momba ny toe-tany (géologue) ny lehilahy, raha ny voalaza hatrany ary miasa amina orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany iray any an-toerana. Handrasana izay mety ho tohin’ny raharaha, fa indrindra ny eo anivon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny izay tokony tsy hijery fotsiny ny zava-misy, raha voamarina tokoa fa teratany malagasy ity maty voatifitra ity.

Nangonin’i m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.