Oniversiten’i Toamasina : Lasa olana ilay 10% esorina amin’ny volan’ny ora fanampin’ny mpampianatra

Mampiaka-peo ireo mpampianatra maro an’isa eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina noho ny fakana ilay 10% amin’ny vola azon’izy ireo amin’ny ora fanampiny amin’ny fampiarana ataony. Raha ny filazan’izy ireo mantsy, dia tsy misy ny didy milaza ny fanesorana izany amin’ny vola ora fanampiny fandrain’izy ireo, fa ny oniversite no mamorona maka izany amin’ny volan’izy ireo. Hita hoe kely ilay 10% fa tena vola be izany raha atao vola mivantana, satria misimisy ihany ilay vola ny ora fanampin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Tany am-boalohany ny 29 mai teo dia efa nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa momba ity resaka 10% ity, ka tamin’izany no nilazan’ny minisitra, fa tsy misy ny didy mamaritra izany ka tsy azo atao izany amin’ny volan’ny ora fanampiny. Taorian’izany dia nisy ny taratasy nataon’ny fikambanan’ny mpampianatra tany amin’ny filohan’ny oniversite ny 02 jona teo, amin’ny fampiatoana ny fakana ilay 10% amin’ny volan’ny ora fanampin’ny mpampianatra ity; saingy namaly ny filohan’ny oniversite fa tokony hamolavola lalana mikasika ny fampiatoana izany ireo mpampianatra. Namaly ireo mpampianatra, fa tsy azo volavolaina izany, satria na lalana mifehy ny fakana ilay 10% aza tsy misy akory, ka tsy afaka manao izany izy ireo. Nifandrirotra teny ny raharaha ka ny farany dia nivory mahakasika izany ireo sojabe samihafa sy ny filohan’ny oniversite, ka tapaka nandritra izany fa ekena ny fakana ilay 10% tsy ara-dalana amin’ny volan’ny ora fanampin’ny mpampianatra, noho fitsinjovana fa lasa mitondra disadisa sy lonilony eo samy mpampianatra ny zava-misy, ka mety hampisara-bazana mintsy. Mbola maro anefa ireo mpampianatra eo anivon’ny anjerimanontolo eto Toamasina ny mbola tsy manaiky izany, satria na ny lalana mifehy ny hetra aza tsy milaza ny fisian’izany fakana 10% amin’ny volan’izy ireo izany. Noho izany dia heverin’ireo mpampianatra mpikarka mpikaroka mpampianatra, fa halatra homanina eo anivon’ny oniversite manerana ny Nosy izao raharaha 10% izao. Andrasana ny fandraisan’ny fanjakana foibe ny raharaha sy handamina ny olana misy.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.