Fahavetavetàna amin’ny Facebook : Karohin’ireo mpitandro filaminana fatratra i « Lee Stuvene » sy ny rahalahiny  

Tsy vitan’ny fampisehoana sary sy horonantsary mamoafady eny amin’ny tambajotra sosialy fa mbola mampihatra herisetra ara-nofo amin-jaza tsy ampy taona ihany, koa na ilay antsoina hoe « pédophilie ». Ireo anenjehana ka hikarohana fatratra ny tompon’ny kaonty Facebook « Lee Stuvene Landot Craya’s » sy ny rahalahiny. Nandray ny andraikiny avy hatrany tokoa ireo mpitandro filaminana manoloana ny fihetsika nasehoan’ity lehilahy iray sy ny rahalahiny tao anaty tambajotra sosialy. Sary sy horonantsary nahatafintohina olona maro. Nandefa fampilazàna avy hatrany na ny pôlisy na ny zandary, ho an’izay mahita na mahafantatra ireto tovolahy ireto na ny ray aman-dreniny mba hampandre azy ireo avy hatrany na hanatona ny biraon’ny mpitandro filaminana akaiky azy ireo. Na izany aza aloha, dia miangavy ireo mpiserasera anaty tambajotra sosialy ireo mpitandro filaminana mba « hitoroka (signaler) io compte io amin’ny foibe Facebook, mba hahafahana mamafa izany », « tsy hizara na hanoina (réagir) amin’ireo sary sy horonantsary izay efa nivoaka ». Mazava mantsy ny voalazan’ny andin-dalàna mifehy ny « cybercriminalité », hoy ny fanazavàna azo hatrany, izay voarakitra ao amin’ny lalàna 2014-006, eo amin’ny andininy faha-22 : « ny fanaovana horonantsary manana endrika mamoafady mampiseho an-tsehatra ankizy ny fampisehoana amin’ny fomba rehetra , ankizy manao fihetsiketsehana momba ny firaisana ara-nofo mivantana, tena izy na miafina, na izay rehetra fampisehoana ireo taovam-pilahiana na fivavian’ankizy iray, izay manana tanjona filāna ara-nofo dia sazian’ny lalana 2 hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina ary mandoa onitra 2 000 000 ar hatramin’ny 10 000 0000 ar ».

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.