Farafangana : Zandary nitsoaka an-daharana, tratra nangalatra

Zandary mbola am-perinasa no voarohirohy tamin’ny resaka fangalaràna sy fanimban-javatra tany amin’iny distrikan’i Farafangana iny. Nitsoaka an-daharana ity zandary ary efa notadiavina nanomboka ny faramparan’ny volana septambra lasa teo. Raha ny fanazavana azo dia nisy ny loharam-baovao azon’ny zandary mahakasika ny fisian’ny tovolahy iray, nanao asa ratsy tao Ambalafary, ny talata lasa teo. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo « equipe d’intervention rapide » avy eo anivon’ny Tobim-pileovan’ny zandary ao Farafangana. Tra-tehaka tao tokoa ity tovolahy ary nentina avy hatrany natao andrimaso sy natao famotorana tany amin’ny biraon’ny zandary. Tsikaritra tamin’izany ihany koa fa ity tovolahy ity dia efa nokarohina noho ny fitsoahana an-daharana (desertion) teo anivon’ny zandary, efa ho telo herinandro izay. Marihana fa mahavoasazy araka ny lalàna velona ara-miaramila ny fitsoahana an-daharana toy izany. Tsy maintsy henjehina noho izany ity zandary am-perinasa ity, hoy hatrany ny vaovao. Ankoatra ny fanenjehana azy araka ny ady heloka, noho ny asa ratsy nataony. « Hentitra ny baiko fa tsy mitahiry jiolahy ny zandarimaria, koa hohafainganina ny fandroahana azy, izy rahateo efa tsy mazoto ny hanompo Tanindrazana eto anivon’ny zandarimariam-pirenena intsony ». Hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela moa ity mpitandro filaminana nihoa-pefy ity rehefa vita ny fakàna am-bavany azy.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Izany ry zareo isany no atao hoe : TOTOM-BINTANA.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.