Manjakaray : Jiolahy roa mpanedaka môtô nosamborin’ny pôlisy

Araka ny fanazavana avy eo anivon’ny polisim-pirenena dia efa manana fitoriana mikasika ity andian-jiolahy ity avokoa ny kaomisaria telo (Ambohimanarina, Antaninanandro, 67ha) sy ny eo anivon’ny SUT etsy Tsaralalàna. Ny alin’ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy 30 minitra no nifanena tamin’ny andian-dehilahy maromaro ny polisin’ny boriborintany faha-8 etsy Analamahitsy raha nanao fisafoana teny amin’iny faritra Manjakaray iny. Vao nahatazana ireo mpitandro filaminana anefa dia nirifatra nandositra avokoa izy ireo. Voasambotry ny polisy ihany anefa ny iray tamin’izy ireo. Ity farany izay nitondra môtô. Rehefa nofotorana izy dia nilaza fa avy nanendaka mpivady tetsy Manjakaray tamin’ny moto izy sy namany ka sabatra sy sakay no nampiasain’izy ireo tamin’izany. Ireo fitaovam-piadiana notanisainy ireo moa dia any amin’ny namany nitsoaka avokoa. Fantatra tamin’izany ihany koa fa naman’ilay jiolahy iray antsoina hoe Raleva, izay efa karohina, ity voasambotra ity.  Nanondro ny misy io namany io nandritra ny fanadihadiana azy izy. Ny alakamisy tokony tamin’ny 2 ora sy 20 minitra no  sarona tetsy Andravoahangy ambony niaraka tamin’ny moto halatra ihany koa Raleva rehefa voahodidina Polisy ka tsy afa-nihetsika intsony. Fantatra ary fa Raleva sy ny tariny dia andian-jiolahy mpanendaka miaraka amin’ny sabatra eny Manjakaray sy ny manodidina.

T.M.

 

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.