Menabe : Mpilalao ody sy mpanao sorona voasambotra

Ny iray, lehilahy 45 taona voalaza ho mpamatsy ody gasy ireo dahalo any amin’iny distrikan’i Belo Tsiribihina, ny iray tovolahy iray milanja antsibe mandehandeha, voalaza fa mitady olona hovonoina sy hatao sorona tao Manja. Ireo no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny Fitaleanam-paritra Menabe tamin’ity herinandro ity. Anisan’ny fositra iray mampirongatra ny tsy fandriam-pahelana sy ny asan-dahalo ny fitokian’ireo olon-dratsy amin’ny ody gasy ataony. Antony iray nandrisika ireo mpitandro filaminana hisambotra ireny « dadarabe » mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo ireny. Toy izany ity voasambotry ny pôlisy tao amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihina. Nisy ny fampandrenesana azo avy tamin’ny olomboafidy iray mahakasika ny fisian’ny lehilahy iray hafahafa ary malaza ratsy amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo amin’ny famatsiana ody ratsy, avy any amin’iny distrikan’i Mahabo iny, tonga ao Tsimafana, ny alahady teo. Nandray ny andraikiny avy hatrany izy ireo ka niezaka nikaroka io lehilahy io. Tra-tehaka tao amin’ilay tanàna voalaza tokoa ingahirainy ary tamin’ny fisavàna ny entana teny aminy no nahitàna karazan-tapa-kazo marobe niaraka tamin’ny moara, vakana sy karazan-javatra tsy fantatra anarana mifono lambamena. Nentina avy hatrany natao famotorana moa Ingahy « Dadarabe » ary mbola ao anatin’izany ireo mpitandro filaminana hatreto. Fa tao amin’ny distrikan’i Manja kosa dia tovolahy iray no nosamborina rehefa fantatra fa avy nandratra olona tamin’ny antsibe izay entina mandehandeha eny an-dalana. « Manao fanafody gasy ity tovolahy 28 taona ity ary mitady olona hovonoina izy hanaovany sorona mba hampahery ilay ody gasy any aminy », hoy ny vaovao. Tranga izay niseho tao amin’ny fokontany Ambatovaky, kaominina Anosibe Afovoany. Lehilahy iray avy namonjy forazaza ka an-dalana hody no sendra nifanena tamin’ity tovolahy ity. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nofirainy tsy nananany antra tamin’ilay antsy teny an-tanany. Nokasainy hovonoina mihitsy, hoy ny vaovao, fa soa ihany fa nisy nahita. Ity farany no niantso vonjy ka nitsoaka sy nandositra avy hatrany ilay nahavanon-doza. Tsy nipetra-potsiny tamin’izao moa ireo fokonolona fa nanenjika ity olon-dratsy ity niaraka tamin’ireo pôlisy tany an-toerana. Tsy lasa lavitra dia voasambotra ingahirainy ary mbola teny aminy ilay antsibe. Antsy hafahafa satria ny tahony dia miendrika tahom-basy. Nentina avy hatrany natao fanadihadiana moa ity farany ary atolotra ny Fampanoavana rehefa vita ny fakàna am-bavany azy. Ilay olona voaratrany kosa, izay marihana fa tsy nahatsiaro tena intsony noho ny rà very taminy, dia efa nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.