Berivotra 5×5 – Maevatanàna : Tranom-barotra voaroban’ny jiolahy, lasa ny vola dimy tapitrisa ariary

Hatreto aloha dia mbola sarotra ny hilaza fa voafehy ny tsy fandriam-pahalemana ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna na dia eo aza ny ezaka goavana ataon’ny tompon’andraikitry ny filaminana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mitranga izany na eto an-tampon-tananan’i Maevatanàna na ambanivohitra, toy izay vao niseho teny amin’ny kaominina Berivotra 5×5 ny alin’ny alarobia 21 oktobra teo, tokony ho tamin’ny folo ora mahery 15 minitra tany ho any. Tranom-barotra lehibe iray indray no lasibatry ny andian-jiolahy tsy mbola voafaritra isa, izay nirongo fitaovam-piadiana. Araka ny loharanom-baovao voaray dia nirongo basy lava sy zava-maranitra ireo malaso ireo tamin’io ora voalaza etsy ambony io. Nohodidinin’ireo jiolahy ny trano ary niditra an-keriny tao amin’ilay tsena izy ireo rehefa avy namaky varavarana. Vao tafiditra izy ireo dia nanao tifi-danitra nandrahona ireo olona tao an-trano, ka tsy afa nanohitra intsony noho ny tampoka tsy nampoizina. Nanjaka tanteraka ireo jiolahy ka nandroaka izay zavatra ilainy hitany tao. Vokany: voaroba tamin’izany ny  » karatra misy fahana Telma sy Airtel miisa 2000 mahery, ankoatra ny vola mitentina dimy tapitrisa ariary. » Efa lasa ireo jiolahy vao afaka nampandre ny mpitandro ny filaminana ireo voatafika. Raha vao nandre izany ireo Zandary dia nidina teny an-toerana. Idrisy anefa tsy nisy azo natao intsony afa-tsy ny nanokatra ny fanadihadiana sy nampandre ireo tobin-jadary mba hanao ny fanarahan-dia. Marihina fa tsy nisy ny naratra na aina nafoy nandritra ny fanafihana niseho. Mitohy ny fikarohana.

Ratantely

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.