Ampefiloha : Jiolahy mpamerin-keloka voasambotra

Nahitam-bokany ny fanaraha-maso fotoana ela ireo mpanao asa ratsy mampiorohoro amin’iny lalana mihazo an’ny UPRIM iny. Ny faha 23 oktobra 2020 tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany teo dia nanatanteraka fisamborana ny Polisy avy ao amin’ny PPA1 Ampefiloha niarahana tamin’ny Polisy avy ao amin’ny UIR ka jiolahy iray antsoina hoe ‘’Zily’’ no voasambotra, izay efa malaza ratsy amin’ny halatra miaro herisetra sy fanendahana amin’iny faritra Ambalavao, Ampefiloha, Manaritsoa ary Andavamamba. Marihana fa efa mpamerin-keloka ity olon-dratsy ity. Efa nahiditra amponja vonjimaika eny Antanimora ity farany

T.M.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.