Tetikasan’ny filoham-pirenena : Misy ireo andian’olona misoloky olona aminy

Mpiasa mahatratra 1.200 eo no voasoloky tamin’ilay tetikasan’ny filoham-pirenena amin’ny fanamboaran-dàlana eto Toamasina I, ao Toamasina II sy Vatomandry ary Mahanoro. Izany Atoa « Manantsoa Modeste » sy ny ekipany, izany no anaran’ity olona ity ary efa miaramila teo aloha sy efa mpiambina ny filoha izany koa ny tenany teo aloha. Hakany vola ireto olona mpitady asa hampiasaina amin’ity fanamboaran-dàlana sy tetezana ity, ka mahatratra 70.000 ariary hatramin’ny 200.000 ariary ny vola alainy arakaraka ny asa tian’ireo mpitady asa atao ; satria ambarany fa hanaovana OMSI sy Trano fiantohan’ny mpiasa ireo vola alainy ireo araka ny nambarany tamin’ireto mpitady asa voasoloky. Telo andro aorian’ny fahazoany ny vola sy fanaovana ny fanadiadiana arak’asa dia mivoaka ny « badge » omeny ireto mpiasa solokiany ireto, mba heverina fa misy marina ilay asam-panjakana amin’ny tetikasa ny filoham-pirenena hatao. Telo volana aty aoriana nakan’ingahy « Manantsoa Modeste » ity ireo volan’ny mpiasa voasoloky ireto, mbola tsy misy hatrany ny asa nambarany ary efa lasa nitsoaka izy ankehitriny hoy ireto mpiasa marobe mitaraina voafitaka. Nametraka fitoriana teny amin’ny zandary ireto mpiasa marobe ireto saingy harirariran’ny zandary ihany koa ankehitriny amin’ny fikarohana ity mpisoloky, sy amin’ny fanaovana « réquisition » ny findainy izay mbola mandeha ara-dalàna araka ny tenin’ireto mpiasa saingy tsy mamaly antso intsony ankoatran’ny famaliana someso. Mitaraina vokatry ny nahazo azy ireto mpiasa 1.200 ireto, ka manao antso avo amin’ny tompon’andraiki-panjakana mba handray ny tandrify azy avy fa misy misoloky sy misandoka ny tetikasan’ny filoham-pirenena amin’izao andro izao.

Malala Didier

 

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Izany ve hahagaga, avy any ambony no miainga ny exemple!

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.