Cybercriminalité : Tena manao facebook ny mpanendaka

Nitovy avokoa ny fomba fiasan’ireo olon-dratsy izay miisa dimy ary tsy mpiray tendro kanefa samy mitovy ny fanao dia ny fanendahana, fisolokiana ary famonoan’olona izany. Nampiasa ny tambajotra sosialy facebook izy ireo mba hahafahana « manjono » ireo olona izay hatao lasibatra. Ny roalahy voalohany dia ireny olona mivarotra kodiaran-droa ka mandefa izany amin’ny facebook no arahin’izy ireo akaiky. « Miditra amin’ireny vondrona fivarotana moto ireny izy ireo ary milaza fa hividy ny entana amin’ny tompony izay hifaneraserany mazava hoazy. Rehefa raikitra ny ady varotra dia mifanao fotoana amin’izay mba hijery ny môtô. Ny iray amin’izy ireo no mipoitra raha miandry lavidavitra kosa ny namany. Misy ny fanaovana andrana ilay môtô ka miara-mitaingina amin’ilay tompony ilay olon-dratsy dia izy ihany koa no mitondra. Entiny mamonjy ilay namany izay efa miandry azy amin’ny toerana mangina ny môtô. Rehefa tonga eo amin’izay dia mody lazaina fa misy tsy mety ilay kodiaran-droa ary asainy midina ny tompony. Eo amin’izay dia hanavaon’ireo tambabe eo ilay olona ary entin’izy roalahy mitsoaka ny môtô avy eo », raha araka ny fanazavan’ny polisy izay miandraikitra ny fanadihadiana momba ny heloka amin’ny aterineto. Nahazo antso haingana avy amin’ny niharam-boina ny polisy tetsy Soavina ary ireo no nifanampy tamin’ny fisamborana ny olon-dratsy, niaraka tamin’ny fanadihadiana izay ataon’ny sampana cybercriminalité. Tsy io ihany ny tranga mitovy fa mbola nisy roalahy hafa koa saingy ny mpivarotra finday amin’ny tambajotra indray no tena hataon’izy ireo lasibatra. « Miditra amin’ireny vondrona misy fivarotana sy fifanakalozana finday ireo ary milaza ny hividy amin’izay mandefa tolo-barotra. Rehefa raikitra ny fotoana hifanomezana dia asa fanendahana no hasetrin’ny iray amin’izy ireo ny tompon’ny finday. Efa misy indray ny mpivarotra an’izany rehefa vita ny asaratsy. Eny amin’ny manodidina an’Andravoahangy no fandefasana ny entana raha araka ny fanazavan’ny polisy indray momba ity tranga faharoa ity. Ny tranga farany dia ny fisian’ny vehivavy iray izay milaza fa mahavita mikirakira antontan-taratasy hahafahana mipetraka sy miasa any ivelany. Mazava hoazy fa avy amin’ny fampiasana tambajotra sosialy sy mailaka no tena hanaovany ny asa fisolokiana. Misy hatramin’ny adiresy mailaka izay ampitondrainy ny anaran’olona izay voalaza fa miasa ao amin’ny masoivoho Frantsay. Maro no tafiditra tao anatin’ny fandrikany ary voasoloky. Voasambotra ihany io ramatoa io ary efa nidoboka any am-ponja. Miasa ary tena miasa mafy ao anaty tambajotra sosialy ny mpanao ratsy, ary ireny no mendrika tena hataon’ny mpitandro filaminana hazalambo fa tsy voatery ireo manelingelina amin’ny tsy fitovian-kevitra amin’ny politika…

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Ekena 100% :  » ireo mpanao ratsy mampiasa tambajotra no tena tokony hatao hazalambo fa tsy ireo mpanelingelina pôlitika « 

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.