Fanafihana sy fanolanana nisesisy teny Ambohimangakely : Tafakatra 11 ireo voasambotra, nadoboka eny Tsiafahy sy Antanimora

Sesilany tokoa ny fanafihana nitranga teny amin’iny faritra Ambohimangakely sy ny manodidina iny ny volana nivalona teo. Nisy tamin’ireny no nitondràn’ny tokantrano vitsivitsy ny mangidy, satria dia tao ny namoy ny ainy ary tsy vitsy ireo niharan’ny herisetra ara-nofo, raha tsy hiteny afa-tsy ireo tranga tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay. Araka ny fanadihadiana nataonay teny an-toerana dia efa nisy tamin’ireo jiolahy nandray anjara tamin’ireny fanafihana nisesisesy ireny no voasambotra. Tafakatra any amin’ny 11 any ho any ny isan’izy ireo, raha ny angom-baovao hatrany ary efa samy natolotra ny Fampanoavana. Ny enina tamin’izy ireo moa no nadoboka am-ponja avy hatrany. Ny sasany nalefa eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ary ny hafa eny Antanimora. Ireo sisa ambiny kosa nahazo fahafahana vonjimaika, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.

Raha ireo angom-baovao azo hatrany dia azo lazaina fa nilamindamina ary afaka tanteraka ao anaty tebiteby aloha  ireo mponina taorian’izay fisamborana izay, eny fa na dia mbola misy amin’ireo olon-dratsy aza no miriaria sy karohina fatratra amin’izao. Izany, raha ireo vaovao azo hatrany dia noho ny hetsika manokana nataon’ny teo anivon’ny zandary teny an-toerana sy amin’ireo faritra hafa, hiadiana amin’ity resaka tsy fandriam-pahelamana manjaka eto amintsika ity. Ao anatin’izany ny fametrahana mpitandro filaminana amin’ireo tanàna, izay efa fantatra fa mafampana, ny fanaovana fisafoana na andro na alina, na amin’ny dia an-tongotra io na amin’ny fiara. Nambara moa fa manampy betsaka ireto mpitandro filaminana ireto ny fiaraha-miasa ataon’ny kaominina ary indrindra ny fanomezan-tanan’ireo mponina amin’ny alalan’ny andrimasom-pokonolona. Nisy ihany koa ny fanentanana ifotony natao, ny amin’ny tokony hiantsoan’ireo mponina avy hatrany azy ireo raha vao misy tranga mampiahiahy, ary indrindra ny fampianarana indray ny olona hahay hiaro ny tenany sy ny tananany, na ilay antsoina hoe « autodéfense villageoise ».

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.