Halatra moto : Tambajotra iray indray no sarona tetsy Analamahitsy

Miisa dimy ireo voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina noho ny resaka halatra môtô, omaly. Misy amin’izy ireo ny nangalatra izany, misy ireo mpandrava kojakoja mahakasika izany ary misy ireo mpividy halatra.

Ankoatry ny lozam-pifamoivoizana mianjady amin’ireo mpitondra kodiaran-droa tato ho ato dia manjaka izay tsy izy ihany koa amin’izao ity resaka halatra môtô. Tambazotra iray mihitsy no miara-misalahy amin’ny ratsy amin’izany. Toy ity nitranga tetsy Ambodimita ity. Nambaran’ny pôlisy mantsy fa very teny an-toerana ny môtô anankiroa Kymco G5 sy Yamaha RSZ ary tany Analamahitsy no tratra. Ny iray moa efa noravaravan’ireo olon-dratsy, namidy tsirairay ireo kojakoja na ilay ataon’izy ireo hoe « kotoleta » ary ny iray efa nolokoina ary efa namidin’izy ireo. Taorian’ny fitsongoana dia natao dia tra-tehaka ihany ireto farany ary nibaraka tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo ny olona nivarotany ilay môtô. Mazava ho azy fa efa mpiray tendro amin’ny ratsy ity mpividy ity ary nahafantatra tsara araka ny vaovao nomena fa halatra io entana io. Nezahina nafenina tanaty tranon’aliaka aza ireo antontan-taratasin’ilay môtô saingy hitan’ny pôlisy ihany nony farany. Olona dimy araka izany no voarohirohy tao anatin’ity raharaha ity ary samy nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny pôlisy avokoa. Atolotra eny anivon’ny Fampanoavana tsy ho ela izy ireo aorian’ny fakàna am-bavany.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.