Antsirabe : Mpanendaka dimy lahy saron’ny polisy

Sokajiana ho isan’ireo jiolahy rain-dahiny amin’ny resaka fanendahana izy dimy lahy voasambotry ny « Unité d’Intervention Rapide » na UIR teto Antsirabe ireto. Efa ela no nikarohana azy ka izao tra-tehaky ny polisy izao ihany. Maro no efa lasibatra sy nitondra faisana tamin’ireto jiolahy mpanendaka ireto. Isan’ny efa lasibatra tamin’izany ny mpivarotra zava-pisotro sy tsakitsaky eo Andranomafana fantatrin’ny maro amin’ny anarana hoe mama Zaky. Vao tamin’ny herinandro lasa teo no niharan’ny fanakanana ity farany raha izy avy nivarotra ka hamonjy ny fodiany. Dimy lahy mitondra antsy maranitra, misatroka  » capuchon » no nanakana sy nikasa hanendaka ireto fianakaviana mpivarotra. Niezaka nanohitra ny ireto farany no niantso vonjy, nisy no afaka niantso an-tarobia ny UIR. Tonga ara-potoana ity farany ka raikitra ny fifanenjahana. Saron’ny polisy teo akaikin’ny Hotel des Thermes ny telo lahy. Mbola namaly ihany ny iray nanindrona antsy ny polisy saingy tsy nahavoa araky ny fanazavan’ny commissaire centrale teto Antsirabe. Vaovao avy tamin’ olona tsara sitra-po kosa no nafahana nisambotra ny roa lahy izay tafaporitsaka nandritra ny fanenjehana. Ankoatra izay, mbola izy dimy lahy koa no tompomarika tamin’ny fanendahan’olona teo amin’ny Géranium tamin’ny 22 oktobra. Araka ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny polisy hatrany dia saika efa mpamerin-keloka avokoa izy dimy lahy ireo, saingy vao mahefa ny saziny any am-ponja dia miverina amin’ny asa ratsy fanaony. Antomotra ny fety, maro ireo mbola tsy tafarina noho ny fisian’ny valanaretina covid-19 isan’ny mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana izany ka entanina ny tsirairay hitandrina indrindra amin’ny fandehanana amin’ny alina hoy ny polisy mba tsy hisaraka amin’ny kara-panondro na tsy misy intsony aza ny « couvre feu ».

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.