Ambodiadabo-Tsaratanàna : Nitsoaka ny miaramila 11 sy ny fokonolona, lasan’i Del kely sy ny ekipany ny volamena 1kg

Del kely sy ny ekapany miisa 11 lahy nitondra basim-borina sy kalaky sy zava-maranitra no tonga nanafika tany amin’ny tanàna antsoina Abodiadabo, fokontany Tsirasira, kaominina Betrandraka, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka, no nisehoan’izany ny Alahady 08 Novambra lasa teo, tokony ho tamin’ny enina ora maraina. Avy hatrany dia niditra an-keriny tao amin’ilay tanàna voalaza etsy ambony ireto jiolahy ireto. Sady nanapoaka basy izy ireo no nitsioka kiriorioka noentina nandemena ny iray tanàna. Rehefa nahare ny poa-basy ny fokonolona teo amin’ny manodiidina dia tsy sahy nivoaka ny trano. Ireo jiolahy kosa tetsy an-daniny nandroba ny fananan’Atoa Tafita izay voalaza fa nahavaky volamena vao tsy ela raha ny angom-baovao voarainay avy any an-toerana, ka lasan’izy ireo nandritra izany ny volamena iray kilao an’i Tafita. Tsy nisy sahy nivoaka ny trano ny olona teo an-tanàna. Rehefa nahazo ny tiany nalainy ny malaso dia nanohy ny diany hitsoaka. Tonga tampoko ihany koa ny miaramila 11 lahy avy ao Betrandraka raha vao nampandrenesina ary tsy niandry ela fa niroso tamin’ny fanenjehana ireo malaso. Tsy nivoaka ny tanàna notafihana ireo ekipany Del kely dia nifankatratra, ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Naharitra ora maro ny fifandonana, tany amin’ny roa ora tolakandro vao nijanona ny fifanjevona. Raha ny vaovao maripototra voaray tamin’ny lehibeny dinam-pokonolona dia tsy naharesy tosika hono ny mpitandro ny filaminana nandritra izany, ka vaoatery nitsoaka niaraka tamin’ny fokonolona.Lasan’izy ireo izany ny volamena iray kilao sy ny entana. Marihina fa tsy nisy naratra na namoy ny ainy nandritra fanafihana sy ny fifampitifirana teo amin’ireo jiolahy sy ny mpitandro ny filaminana.

Ratantely

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.