Andian- tanora mahery fihetsika : Tonga eto Maevatanana ny « Foroches »

Ny fanafihan-dahalo efa manao ny ataony mbola mihoron-koditra amin’ny fihetsika miaro herisetra sy tora-bato ny amin’ireo fokontany maromaro eto amin’ny kaominina ambonivohitra Maevatanàna. Teo aloha dia tany amin’ny faritra avaratry nosy no nahitana ireo adian-tanora mahery fihetsika, izay antsoina hoe  » Foroches. » Ankehitriny nefa tafiakatra eto amin’ny renivohim-paritra Betsiboka ny hadalana efa mihoapapana ataony tanora. Isan’ireo fokontany miferin’aina tanteraka ny eny Andranomangatsiaka sy Ambatofotsy, izay ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany, izay zara raha 200 metatra miala ny biraon’ny mpitandro ny filaminana. Porofon’izany ny Atalata alina teo dia nisy olona natsikaritra andian-tanora nitondra vato marobe ny tao amin’ny fokontan’Andranomangatsiaka, tsy hay izay tian’izy ireo hatao fa ny trano mifanojy aminy dia voatora-bato avokoa. Tsy nisy sahy nivoaka ny trano ny ankamaroan’ny olona teny manodidina fa niharitra ny tora-bato tamin’ny tranony avy. Naharitra ora maro izany teny amin’ity fokontany voalaza etsy ambony ity. Soa ihany fa tsy nisy naratra sy ny aina nafoy nandritra izany. Tsikaritra tokoa mantsy fa tsy mavozo mihitsy ireo andian-tanora na dia nisy olona niezaka niantso vonjy aza. Rehefa nahazo antso ny polisy dia tonga nanao teny amin’ny toerana nisiany tora-bato. Indrisy anefa fa tsy tratra intsony ry zalahy ireo, fa ny vato niraradaraka teny amin’ny manodidina sy ny arabe sisa no tazana teny. Tsy nisy zavatra nalain’ireo andian-tano moa fa ny heristra tiana natao fotsiny tamin’izany. Mitohy hatrany kosa ny fikarohana ataony mpitandro ny filaminana amin’izao.

Ratantely

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.