Fanolanana : Zazavavikely 11 taona namoy ny ainy, maty namono tena ilay nahavanon-doza

Ny alatsinainy lasa teo dia zazavavy kely tsy manan-tsiny iray indray no namoy ny ainy vokatry ny herisetra ara-nofo nihatra taminy, tao Ambodiakondro, kaominina Mahabo, distrika Vohipeno. Lehilahy 35 taona no nahavanon-doza ary tsy navelan’ireo fokonolona raha tsy voasambotra. Nahazo antso fanairana mahakasika izay avy hatrany anefa ny teo anivon’ny zandary ka nidina tany an-toerana niaraka tamin’ny mpitsabo. Efa teo am-pelan-tanan’ny fokonolona, nifatotra tongotra aman-tanana ity mpanolana ity tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo mpitandro filaminana ka nentina avy hatrany. Ary nisy ny toromarika azon’ireo zandary tany an-toerana ny hametraka ity farany tamina trano iray mba hialàna amin’ny fihoaram-pefy ataon’ireo fokonolona vonto-katezerana. Rehefa naka ity farany mba entina hatao famotorana amin’izay ireo mpitandro filaminana rehefa avy nanao fitiliana ilay zaza niharam-boina dia indro fa efa vatan’olona mihantona, tsy misy aina intsony no tao amin’ilay trano. Maty nananton-tena ilay lehilahy mpanolana ary ny tady namatoran’ny fokonolona azy ihany no namatorany ny tendany ihany koa.

« Tsapa fa nirongatra tokoa ny asa-ratsy fanolanana zaza tsy ampy taona, tato ho ato, ary maro amin’izy ireny no mamoy ny ainy. Handao hiara-hientana hiaro ny taranaka. Sahia mitoroka ny zava-doza mitranga any amin’ny fiaraha-monina any. Sahia mijoro sy manolotra ny manam-pahefana na ny mpitandro filaminana ireo izay mahavanon-doza amin’ny fampijaliana sy fanararaotana ara-nofo mianjady amin’ny tsy ampy taona (na lahy na vavy). Aoka tsy ho menatra na matahotra fa sahia, antsoy ny laharana maintso 803 na ny 0341400523 (Zandarimaria) na ny 0346701862 (Ivotoerana manokana, ao Mahamasina) » hoy ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenana.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.